Politique

Mbola Rajaonah sy Pety Rakotoniana Tena atahoran-dRajoelina sy ny ekipany mafy


  • Talata 09 Aprily 2019

Ny tapaky ny volana febroary no naiditra am-ponja vonjimaika ny mpandraharaha Mbola Joseph Rajaonah. Isan’ireo Malagasy mpandraharaha sokajiana ho mpanefoefo.

 

Tsy dia hita taratra sy tsy mpiteny firy teo amin’ny sehatra politika na dia mpanolontsaina manokan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina aza. Nisafidy ny nanolo-tanana ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ireny fifidianana filoha ireny, ary tsaroana ny fanehoan-keviny fa na ny tany amin’ny ekipan-dRajoelina aza niantso azy, saingy i Marc Ravalomanana no hitany fa mety kokoa amin’ny firenena. Fahavalo politikany mazava ho azy no nandraisan’ny fanjakana Rajoelina azy. Toa manomboka mazava amin’izao fotoana izao ny fanagadrana azy, izay toa feno kajikajy politika ka zara aza ahitana hirika hamelezana azy, rehefa halalinina. Nosoram-potaka tamin’ny filazana fa nipiraty ny valim-pifidianana tamin’ny alalan’ny rindram-baikon’ny “Black Cube”, izay tsy nisy. Nialohan’izao firosoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao no nanagadrana azy, raha toa ka tao anatin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoha no efa nosembantsembanina. Afaka nanohana kandida depiote tsy mitovy firehana amin’ny fanjakana ny tenany, toy ny lafiny serasera sy fampielezan-kevitra, eny fa na ny ara-bola aza,… Potehina tanteraka sao hahavita hanonitra sy hanatsimbadika ny rasan’ny fifidianana filoha, izay tsy tena hananan’ny fanjakana ankehitriny antoka fa hananany fitoniana ara-politika. Mpandraharaha sy mpanao afera, ka mety mahalala ny aferan’ny mpitondra sy mifanitsaka bizina amin’ny ekipan’ny filoha rahateo.

Mitovitovy amin’izay ihany ny an’i Pety Rakotoniaina izay naiditra am-ponja nanomboka ny tapaky ny volana oktobra 2018, rehefa nolazaina fa nikasa hanangana fanjakana ao anaty fanjakana. Izy no nalentika herintaona an-tranomaizina sazy mihatra fa Rainidiana Rajoharison, izay nahatrarana afisy momba ilay hetsika kosa 18 volana sazy mihantona. Nanakiana mafy an-dRajoelina ho tsy mendrika ny ho filoham-pirenena ny tenany, ary nitory ity farany mihitsy noho ny fanangonan-karena tsy mazava. Nialoha ny fifidianana filoha sy depiote no nanagadrana azy, ary na ny didy mandetika azy nivoaka ny 2 aprily lasa teo aza, dia misy ny mandika azy ho kapa vavaranjo ara-politika. Kandida ho solombavambahoaka any Fianarantsoa Rtoa Ialy Rakoniaina vadiny, ka tazonina any am-ponja aloha i Pety Rakotoniaina mba tsy ho afaka manao fampielezan-kevitra amin’izay kely ny herijika hahalanian’ny vadiny. Mitady hivadika ho resa-poko ny raharaha amin’izao hoe: nahoana no avy any amin’ny faritra, indrindra fa hatrany no lasibatra. Anisan’izany i Claudine Razaimamonjy, Eddy Maminirina, Pety Rakotoniaina,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT