Naiditra vonjimaika eny amin’ny Fonjan’i Tsiafahy ny mpandraharaha Mbola Joseph Rajaonah, taorian’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny PAC (Poles Anti-Corruption) na ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly etsy 67 Ha omaly tolakandro.
Nosamborina teny Antsahabe ny tolakandron’ny alarobia 13 febroary sy notazonina tao amin'ny Sampana misahana ny ady heloka be vava na ny BC Anosy izy nanaovana famotorana. Nitohy omaly ny famotorana ka ny tolakandro dia nentina teny amin’ny PAC nalaina am-bavany, niafara amin’izao fampidirana am-ponja vonjimaika izao. Tamin’ny fisamborana azy, dia tsy nisy didy fampisamborana sady tsy nisy fiampangana, ka notazomina tao Anosy tsy nisy fanazavana, raha ny fanamarihana efa nataon’ny mpisolovava azy. Rehefa nitaky izany ny mpiaro omaly maraina vao nampahafantarina ny vesatra iampangana azy. Fikasana hanondrana boaderozy tamin’ny sambo Flying sarona tany Antalaha ny volana desambra 2018, taratasim-bola tsy misy antoka 32 tapitrisa ariary, fitehirizana dosie mirakitra tsiambaratelon’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco tao an-tranony, hosoka teo anivon’ny ladoany, ary kolikoly avo lenta moa no voalaza fa vesatra anenjehana azy. Tsara ary mendrika ny resaka fampiharana ny lalàna sy fametrahana ny tany tan-dalàna raha tena izay tokoa no tanjona fa tsy misy ambadika na valifaty politika. Sokajiana ho marefo ara-bola hoenti-manatanteraka ny vinany ny fanjakana Rajoelina izay vao avy nandady tamin’ny mpamatsy vola. Sao dia mba paikady hoenti-mampiseho izany fa miady amin'ny kolikoly tokoa ity fanjakana ity mba hivoahan’ny vola ? Hitovy ve ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna ? Raha resaka kolikoly sy aferana boaderozy na afera hafa, dia azo antoka zato isan-jato fa tsy i Mbola Joseph Rajaonah, Maminirina Jean Eddy,… ihany no mety ho voatonona amin’izany. Tena sahy ve ny fanjakana Rajoelina ka tsy hikoso-maso hanenjika miantomboka amin’ireo manodidina azy, na mpandraharaha io na mpanao politika izay manana dosie maloto? Mpandraharaha Malagasy i Mbola Rajaonah, nampiasa ny volany ary nanitatra ny ambaindain’ny orinasany teto Madagasikara fa tsy atsy Maorisy na Dubaï na Frantsa tahaka ny mpitondra ankehitriny na ireo vahiny toy ny karana mahazo avara-patana. Fiainana Malagasy maro be no mety ho potika ao anatin’io. Tsy fiarovana fa ny Malagasy ihany no mifanapotika eto fa tsy mba mbola nandrenesana teto hoe: iny nisy sinoa na karana nohadihadian’ny Bianco na ny SAMIFIN (Sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola) na ny PAC, ka nidoboka teny Tsiafahy na Antanimora.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.