Politique

Mbola misy fanjakana ve eto ?


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Ndeha atao hoe tena sarotra ny raharaha ka izay no tsy mbola hisiana vokatra mivaingana amin’ny fanadihadiana noho ny raharaha fipoahana nahafatesana olona telo sy naharatrana 90 hafa teny Mahamasina, herinandro lasa izay.


 Fisavana tranon’olona 4 hatreto no fantatra fa natao dia eo ihany koa ny fanaraha-maso akaiky olona maromaro. Mbola tena manjavozavo ho an’ny besinimaro ihany koa ny tena marina momba ilay zavatra nipoaka, ny resaka mandeha ny amin’ny grenady nivoaka avy amina toby miaramila teto an-drenivohitra. Ny manampahefana no nilaza fa misy ambadika politika ny raharaha 26 jona iny. Hatreto anefa nambara fa tsy mbola misy ny mpanao politika ahiahina na natao fanadihadiana. Ny senatera Lylison moa hatramin’izao, tsy hita izay misy azy, tsy fantatra na tsy mikaroka azy intsony ny mpitandro ny filaminana  na efa mahalala ny toerana hiafenany saingy tsy misambotra noho ny antony sy fantatra. Ilay raharaha Beroroha moa dia nangina tanteraka kanefa olona 31 be izao no namoy ny ainy noho ny herisetran’ny dahalo. Fa mbola misy fanjakana ihany ve eto e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT