Tena mahagaga mihitsy hoe sady tsy mahita no tsy mandre ve ny mpitondra tetezamita eto amintsika eto sa ahoana, fa toa mieritreritra foana fa mety ny ataon’izy ireo hatramin’izao fa ny hafa maneho hevitra na manankiana ny tsy mety ataon’ny fitondrana dia mpanakorontana sy mpampihorohoro.
Toa sady tsy mahita no tsy mandre ny fahorian’ny vahoaka izy ireo, toa tsy miraharaha ny antony mampipoitra etsy sy eroa ny fitakiana. Tsy maninona mihitsy amin’izy ireo raha misy manamboninahitra sy miaramila manao fanambarana etsy sy eroa. Fa angamba heverin’izy ireo fa tsy ho lasa lavitra ihany koa izany rehetra izany fa rehefa hodiana fanina sy anaovana lazon’ady amin’ny fandrirarirana eo, tsy ho reraka ihany ve ny farany ? Tsy nandroso vahaolana mazava, amin’ny krizy isaky ny sehatr’asa misy eto amintsika ankehitriny, ny filohan’ny tetezamita fa dia ny nanameloka ny hafa sy nanipy baolina any amin’ny sasany indray no nataony. Azo sary an-tsaina mihitsy izao fa mba nibitaka ery ireo manamboninahitra sasantsasany mahazo avara-patana amin’izao fitondrana tetezamita izao, tamin’ilay teny fankasitrahana avy amin’Atoa filoha.
Ary tokony efa hiomana tsara daholo ireo izay hidina an-dalambe fa mety ho mafimafy ny lakrimozena eny. Mahatalanjona ilay endrika tsy firaharahiana ny zava-misy marina ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, fa dia ho avela himenomenona eo mandra-pahatongan’ny Repoblika manaraka ve izany, ireo sendika manao fitakiana ireo, dia tena tsy manana paikady hafa, ankoatry ny fanapahana karama sy fisamborana ary fanaovana ramatahora ve izany ny fitondrana tetezamita. Olombelona ihany anie ireo Sempama sy SMM, Paramed sy ny sisa ireo, ka noho izany afaka atao tsara ny mifampidinika amin’izy ireo e !
Amin’ny saina tsy miangatra mihitsy no ahafahana milaza amin’izao fotoana fa tena miha ratsy endrika eo imason’ny Malagasy ny fitondran’i Andry Rajoelina, satria resaka fotsiny no betsaka, fa tsy voavaha ny ankamaroan’ny olana. Ny raharaha boaderozy tsy mbola fantatra ny tena marina aminy, dia io fa raikitra indray ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana safira any Didy Ambatondrazaka. Aman’aliny ny olona mifanaretsaka any, izay vao taitra ny fitondrana tetezamita. Dia hisy safira goavam-be avy eto Madagasikara indray, tratra any Thailande atsy ho atsy, izay vao samy gaga ny rehetra. Mihenjana loatra ny fitondrana tetezamita, ka tsy maintsy ho reraka ihany ny farany satria tsy ampy isa, hanenjika sy hanagadra ny olombelona rehetra mahatsiaro iharan’ny tsy rariny, eto Madagsikara mihitsy ny mpitandro ny filaminana. Mba mandiniha tena ihany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.