Politique

Mba handresena ny hala-bato Hefao ny adidy, mandehana mifidy …


  • Talata 26 Novambra 2019

Miantoka ny ho avy politikan’ny firenena ny fifidianana izay hotanterahina rahampitso alarobia 27 novambra. Fifidianana miisa roa izay no efa notanterahina teto, dia ny nifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

 

 

 

 Maro ny adihevitra sy ny tsy fahafaham-po naterany noho ny karazana lalao maloto, ka niteraka fahakiviana teo amin’ny mpifidy niteraka fitotonganan’ny taham-pandraisana anjara. Fifidianana hafa mihitsy noho izy tena manakaiky kokoa ny vahoaka (élèction de proximité) ka tokony hiakatra ny taham-pahavitrihana. Ny vao mainka manome lalana ny ratsy ny fahakiviana sy ny firaviravizana tanana ka tsy handehanana mifidy. Hahazo vahana ny ratsy ary afaka hilalao sy hanatsimbadika ny vokatra. Hahafaha-misoroka kokoa ny hala-bato ny fahamaroan’ny mpifidy mampiakatra ny taham-pandraisana anjara. Rehefa resy amin’ny elanelam-bato lavitra ny kandida tsy tiana ho lany, dia sarotra ny hangalatra sy hanatsimbadika io voka-pifidianana io. Sarotra ihany koa ny hilalao ny lisitra sy ny vokatra rehefa mandray anjara sy manao andrimaso ny safidiny ny olom-pirenena. Betsaka izay ampamoaka sy ahiahy mombana tetidratsy samihafa izay, mirarakopana ny fandikan-dalàna sy ny endri-pitanilana ataon’ireo mpitantana ny raharaham-panjakana,… izay mametraka ny ahiahin’ny rehetra fa efa vita ny kajy fa sarintsarim-pifidianana no atao. Azo resena tsara io rehefa manatanteraka ny zo sy ny adidiny ny rehetra, ka tsy tokony hiraviravy tànana fa manefa ny adidy ho an’ny rahampitso.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT