Politique

Mazava fa toa tsy sahy ny mpitondra indrindra isaky ny miatrika ny tena olana


  • Zoma 11 Jolay 2014

Hafahafa ihany ny fijerin’ny mpanara-baovao mikasika ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny. Milaza mantsy ny mpitondra fanjakana fa laharam-pahamehana ho azy ireo ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa..............

Miompana amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny fanarenana ny toekarena no ambentin-tenin’ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Maromaro ihany koa, hoy ilay tsy mahay manisa, ireo fanapahan-kevitra efa noraisin’ny mpitondra fanjakana tao anatin’ireo volana vitsivitsy nitantanana izay saingy toa tsy mbola hita mivaingana aloha hatreto ny akony amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranana eny anivon’ny fiarahamonina. Mahita moa ny sarambabem-bahoaka fa milalao afo ihany ny mpitondra fanjakana vaovao satria tsy sahy miatrika ny tena olana fototra mikiky ny firenena toy ny fampihavanam-pirenena sy ny fampodiana ireo sesitany politika nefa azo sokajiana ho raharaha goavana sy manan-danja ho an’ny sehatra iraisam-pirenena. Lany andro manadio tena sy mangataka fotoana ny filoham-pirenena sy ny ekipany ka tsy mahagaga raha mionona amin’ny dinika ambony latabatra sy fifanomezan-toky ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola antsika, hoy ireo olom-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT