Politique

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Manetsiketsika izay rehetra azo hetsehina hahafahana manakona ny tsy mety natao tao anatin’ny 4 taona latsaka kely ny mpitondra HVM amin’izao fotoana izao.

May ny endim-boanjony, ka ankoatra ny fanetsehana ny mpanao politika mpikaraman’ady isan-karazany, dia alefa indray ny tanora HVM hizara zavatra etsy sy eroa, ka bodofotsy, ronono, vary ho an’ny zokiolona miisa 100 no nozarain’izy ireo teny amin’ny fokontany Manakambahiny sy Marohoho iireo ny talata lasa teo. Ilaina tokoa ny fitsinjovana ny vahoaka madinika, ary tsy any amin’ny fizaran-javatra sy ny fanaovana asa sosialy no olana, fa ilay fihetsika miaro fitaka sy fanaronana ny hadalan’ny mpitondra, izay mihorohoro amin’ny sezany. Ezahina voizina sy resahina ny hoe akaiky ny vahoaka hatrany ny fitondrana, saingy tsy izay no miseho fa fihetsika ivelany hoenti-mambambo indray ny fon’ny vahoaka no misy. Hatramin’izay tsy taitra, ka izao vao mamaky takotra sy milaza fa akaiky sy mitsinjo ny Malagasy. Vahaolana maharitra sy tena mipaka amin’ny fiainany andavanandro toy ny fidinan’ny vidin-jiro, fihenan’ny vidim-piainana,…rahateo no tena ilain’ny vahoaka fa tsy tapi-maso hoenti-mividy azy amin’ny fifidianana, izay ireharehan’ny HVM fatratra fa tena akaiky ny vahoaka tokoa ny fanjakana. Tsy ampahafirin’ny volabe akepoky ny mpitondra sy ny resaka kolikoly ary afera maizina hataony akory ny vola haompana amin’ireny, saingy mihevitra ny Malagasy ho mbola dondrona sy bado hatrany ny fitondrana ankehitriny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT