Tsotra ny ahy ny fijeriko ny krizy misy eto amintsika ankehitriny, hoy Atoa Maurice Beranto filohan’ny antoko FIDEM ary ao amin’ny ankolafy Zafy Albert.
Tsy misy firenena milamina izany eto raha sonia tondrozotra fotsiny no atao. Ity tetezamita ity, hoy izy, no tokony ho fotoana masina hanamboarantsika ny zavatra tsy nety rehetra teto amin’ity firenena ity. Tokony hohararaotina amin’izao tetezamita izao ny fametrahana ireo rafitra rehetra ilaina amin’ny fananganana fiarahamonina vaovao fa raha tsy izany dia afaka 3 na 4 na 5 taona dia hiverina indray ny krizy eto amintsika. Ity filohan’ny FIDEM ity moa no iray tamin’ny mpanao politika azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ilany monja tonga nanotrona ny hetsika fanamarihana ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny Demokrasia tetsy amin’ny MDLC Anosy omaly na dia nandefasana fanasana avokoa aza ireo mpanao politika rehetra eto amintsika, araka ny fanamarihan’ny mpikarakara.
Tsy mahagaga izany satria tsy maintsy ho tototry ny fanontanian’ny tanora nameno ny trano tao izy ireo. Ho an’ny tanora mantsy ny lohahevitra nofinidin’ny Firenena Mikambana tamin’ity fankalazana andiany faha-4 ity. Nahitsy dia nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana mihitsy ireo tanora nandray anjara tamin’ny hetsika. Nisy ny hafatra manokana avy amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana novakian’ny solontenany miasa eto Madagasikara tamin’ity hetsika ity. Ho an’Atoa Maurice Beranto manokana dia nilaza izy fa raha vao resaka demokrasia dia tsy maintsy manotrona foana ny tenany satria voarakitra ao anatin’ny anaran’ny antokony izany. Aminy dia tsy misy firenena mandroso raha tsy misy demokrasia. Isika Malagasy dia tsy tokony hampianarina demokrasia izany, hoy izy, fa efa ao anatintsika izany amin’ny alalan’ny Fokonolona. Ninian’ny mpanjanaka nopotehina izany ka izy ireo indray no nilingilingy nampianatra antsika ny hoe : “approche participative”, hoy izy, mahagaga !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.