Politique

MATITA Tsy mivadi-belirano amin’ny fitakiana ny fiverenan’i Dada


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Niainga avy amin’ny fivondronan’ny vahoaka tsotra ho fanoherana ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ny fikambanana MATITA (MAlagasy TIa TAnindrazana) izay ao anatin’ny «Union des Associations» manohy ny tolona eny amin’ny kianjan’i Magro ankehitriny.

 Fikambanana tsy mba mivadi-belirano hatrany am-boalohany izahay, hoy Rtoa Andrianaivo Josiane filoha lefitra, ary tsy mahalala afa-tsy ny fitolomana amin’ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana. Hatreto aloha, ho anay dia mbola ny filoha Marc Ravalomanana no filoham-pirenena lanim-bahoaka ka mbola Rtoa Lalao Ravalomanana ihany koa izany no «1ère Dame de l’Etat». Noho izany dia toherinay marindrano ireny fihetsika natao teny Ivato taminy tamin’ny zoma heriny ireny fa vehivavy manan-jo feno tahaka ireo rehetra nipetraka tany am-pita ka niverina soa aman-tsara an-tanindrazana izy. Manao antso avo ny mpiara-mitolona izahay, araka izany, fa tsy mbola mifarana velively ny tolona ataontsika fa vao mainka hamafisina amin’ny fahavitrihana tonga eny an-kianjan’ny Magro aza amin’izao fotoana izao. Eny amin’ity kianja ity no fampitana ny vaovao marim-pototra sy ny toromariky ny famaramparanana ity tolona iaraha-manana ity.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT