Tsy mbola azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ary tsy mbola ato ho ato no hiverenan'ireo fanampiana avy any ivelany. Izay no mahafintina ny lahatenin'ny zokiolona amin'ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika omaly teny Iavoloha raha niarahaba ny filohan'ny tetezamita mivady nahatratra ny taom-baovao 2012.
Tamin'ny fiteny feno fanajana sy ara-pomba diplaomatika no nanambaran'Atoa Cherif Abdelaziz, masoivohon'i Alzeria an'izany. Nambarany fa manohana ny ezaka ataon'i Madagasikara amin'ny fikaroham-bahaolana amin'ny krizy ny sehatra iraisam-pirenena ary maniry ny mba hampilamina ity firenena ity. Somary nanaitra ny maro ihany ny filazan'ity diplaomaty ity fa raha ilaina dia asiam-panitsiana na ovana mihitsy aza ny tondrozotra mba hampitombina tsara ny fiaraha-mitantana tena izy, ankoatra ny fanamafisany ny tokony hampiharana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra, mba tsy hampandamoka ny ezaka efa natao indray.
Mazava be ny resaka eto fa tsy miova amin'ny heviny ny sehatra iraisam-pirenena fa mitaky, hatrany ny fanajana sy fampiharana ny tondrozotra, araka izay nifanarahana sy nosoniavina, tsy mbola tetezamita eken'ny rehetra sy iaraha-mitantana no misy amin'izao fotoana, ka izay indrindra ny antony niantsoan'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny zokiolon'ireo masoivoho eto amintsika, ny ankolafy politika hafa hiditra anaty tetezamita. Be ny ezaka tsy maintsy mbola atao, izay vao hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mahitsy sady mazava i Madagasikara, raha araka ny kabarin'Atoa Cherif Abdelaziz omaly teny Iavoloha.
Hita ho kepoka sy diso fanantenana ihany ny filohan'ny tetezamita, tamin'ny fahatongavany teny Iavoloha omaly maraina, sy taorian'ny kabarin'ny solotenan'ireo masoivoho vahiny. Voamarika ihany koa fa tsy nanatrika ity lanonana ity ny solontena maharitry ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana eto amintsika, Atoa Jean Marc Chataigner masoivohon'i Frantsa, Atoa Eric Wong mpiandraiki-draharaha ao amin'ny masoivoho Amerikanina ary ny masoivohon'i Japon. Nandefa solontena hisolo azy kosa anefa izy ireo. Fa na izany aza dia misy heviny ara-diplaomatika izany tsy fahatongavana izany. Karazana hafatra mafonja ho an'ny filohan'ny tetezamita izany fa tsy mbola manaiky azy tanteraka ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ny zavatra tsy mety eto ary maro ny asa sy ezaka tokony hotanterahana mba hahatongavana any amin'ny fitoniana mialoha ny fifidianana. Amin'ity zoma ity moa dia ireo mpandraharaha ara-toekarena indray no hifampiarahaba amin'ny filohan'ny tetezamita mivady eny Iavoloha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.