Politique

Masoivoho Frantsay Miantso fifidianana malalaka sy misokatra


  • Zoma 15 Jolay 2016

Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay omaly alakamisy 14 jolay no nanamafisan-dRtoa Véronique Vouland-Aneini, masoivoho

 Frantsay ny fahavononan’izy ireo hiara-kiasa hatrany amin’ny firenena malagasy. Notsipihany ihany koa fa manaraka akaiky ny fanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara i Frantsa sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Ny ady amin'ny kolikoly, ny fanitsiana sy ny famerenana ny fitokisana amin’ny fitsarana, ny fizarana ara-drariny ny harena, ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminana, dia fanamby maro tsy maintsy atrehina mba ho taonan’ny zava-bita ny taona 2016 araka ny fangatahan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Mazava ihany koa ny hafatra avy amin’ny masoivoho Frantsay ho an’ny praiminisitra nanatrika ny lanonana omaly fa : « ianao no tompon’andraikitra amin’ny fifidianana isam-paritra, ny faritany ary ny fifidianana filoham-pirenena », hoy Rtoa Véronique Vouland-Aneini. Ireo rehetra ireo dia hitondra vokatra azo tsapain-tanana kokoa noho ny fifidianana tamin’ny taona 2013, hoy hatrany izy ary ny fifidianana dia tokony ho ara-drariny, malalaka sy misokatra, voakarakara ao anatin’ny toe-draharaha ara-politika milamina sy miantoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy maneho hevitra, izany no atao dia mba isorohana krizy vaovao indray izay handetika ny firenena ao anatin’ny lavaky ny fahantrana.


J.M

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT