Politique

Masoivoho Amerikanina vaovao Tena mafy amin’ny resaka paik’ady politika


  • Talata 29 Janoary 2019

Taorian’ny nahatapitra ny fe-potoam-piasan’i Robert Yamate teto Madagasikara ny volana martsa 2018, dia ny mpiraki-draharaha Amerikanina Stuart Wilson no nandrindra ny fifandraisana ara-diplomatikan’i Etazonia tamin’ny firenentsika.

 

 

 Fantatra kosa izao, fa notendrena ho Ambasadaoron’i Etazonia ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Comores Atoa Michael Peter Pelletier ny 2 janoary 2019 ary andrasana afaka herinandro vitsy ny fahatongavany. Tamin’ny 16 aogositra 2018 no efa notendren’ny Filoha Donald Trump izy. Nanomboka niditra teo amin’ny tontolon’ny diplomasia izy ny taona 1987 ary matihanina amin’io sehatra io. Nisahana ny andraikitry ny Sojaben’ny “School of Professional and Area Studies” tao amin’ny ivontoeram-panofanana ireo diplomaty amerikanina izy nialoha izao fanendrena azy izao. Niasa tamina masoivoho amerikanina miisa valo izy ankoatra izay ary efa nitana andraikitra ambony tao amin’ny departemantam-panjakana ihany koa. Tao anatin’izany ny toeran’ny mpanolotsaina voalohany tany amin’ny Masoivoho Amerikanina tany New-Delhi tany Inde sy ny toeran’ny lefitry ny sekreteram-panjakana Amerikanina misahana ny raharaha Afrikanina. Manana ny maripahaizana B.S.F.S. avy amin’ny oniversiten’i Georgetown izy tahaka ireo olona maro manana ny maha izy azy to any filoha Amerikanina teo aloha Bill Clinton sy ny lehiben’ny sampam-pitsikilovana Amerikanina (CIA) teo aloha George . Manana ny maripahaizana momba ny fandalinana politika avy amin’ny Institut d’Etudes Politiques tao Paris any Frantsa, ary ny M.I.A. avy amin’ny oniversiten’i Columbia ihany koa ity diplaomaty ity. Miisa 13 ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny departemantam-panjakana Amerikanina efa azony ary tao anatin’izany ny “Presidential Meritorious Service Award” sy ny “Linguist of the Year”.Matevina dia matevina ny fianarana nataony sy ny traikefa arak’asa ananany izay azo adika fa manamafy ny toerany eto Madagasikara ny Amerikanina ka nandefa masoivoho teknisianina, no sady mafy ara-politika sy amin’ny fanangonam-baovao ary ny resaka fifampiraharahana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT