Politique

MASATI Mitaky ny hanasaziana ny mpanao herisetra teny Ivato sy teny Ankatso


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Misavorovoro be ihany ary iarahantsika mahita ny zava-nitranga tao anatin’ny tapa-bolana izay teto amin’ny firenena taorian’ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tany Seychelles, hoy ny fikambanana MASATI (Malagasy Sahirana Tia Tanindrazana) ao anatin’ny «Union des Associations Zanak’i Dada».

 Raha noheverina hitondra fitoniana iny resaka iny, hoy izy ireo, dia ny mifanohitra amin’izany no niseho fa nampiasana herisetra ny vadin’ny filoham-pirenena Lalao Ravalomanana, niakarana sy nohenjehina teny amin’ny toeram-pianarany ny mpianatra ny amin’ny Oniversiten’Ankatso, navoaka tsy nifampierana ny datim-pifidianana hatao amin’ny taona 2013. Melohanay ato amin’ny MASATI tanteraka ny herisetra natao tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana sy ny vinantony. Efa mazava ny hevitry ny rehetra fa tsy nanana olana tamin’iza na iza teto amin’ny firenena izy ireo ary ny vehivavy fanaja na inona na inona no miseho koa melohinay ny fihetsika mamoafady tahaka ireny.

Mitaky izahay, hoy ireto mpikambana ao amin’ny MASATI ireto, ny hanaovana fanadihadiana ny amin’ireo nanao herisetra tamim-behivavy sy ireo nibaiko azy ireo ihany koa, ary hoentina eo anoloan’ny fitsarana izany mba handraisan’ny nanao ny tsy nety ny sazy sahaza azy. Mbola melohinay koa ny fiakaran’ny miaramila teny Ankatso, toeram-panovozan’ny tanora fahalalana, izay tsy tokony hidiran’izy ireo velively mihitsy, araka ny lalàna nefa dia nohitsakitsahany marindrano.

Ekena fa ny fifidianana no ivoahana amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao nefa mila filaminana tanteraka ny fanatanterahana izany ka mampanontany tena anay MASATI ihany ka hanontanianay an’ireo namoaka datim-pifidianana hoe : efa tena feno tanteraka ve ny fepetra ahazoana manatanteraka izany fifidianana izany ? Efa milamina sy tony tsara ve ny tanàna ? Voaaraka antsakany sy andavany ve ny voalazan’ireo andininy ao anaty tondrozotra ka mihatra tokoa ny hoe fiaraha-mitantana ao anaty fitondrana tetezamita ? Dia avantanay amin’ny SADC ihany koa ny fanontaniana manao hoe : tena ekenareo tokoa ve fa io tetezamita misy io no tena tetezamitan’ny fiaraha-mitantana. Takianay, hoy ihany ny MASATI ny hanatanterahana isan’andininy, 1 ka hatramin’ny faha-45, ny tondrozotra.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT