Kivy tanteraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny TGV izahay RPSD, hoy ny filoha nasionaliny Atoa Marson Evariste, raha nanao ny tatitry ny Filankevi-pirenena nataon’ny antoko tarihany tany Ambositra ny 22 aprily 2013 lasa teo.
Nanantena tahaka an’ireo mpikambana anaty UDR-C rehetra ny haha kandidà ny filohan’ny tetezamita ny RPSD, hoy izy, nefa tsy nanao izy ka “tena tsy faly sy sahiran-tsaina izahay». Tsy mba nisy akory fivoriana fikaonan-doha natao fa avy nanao kongresy ry zareo dia nanendry kandidà ho azy samy irery. Manoloana izany dia voatery nisafidy kandidà hafa hotohanana ny RPSD. Ankoatra izay dia manohitra ny mety hanemorana ny fifidianana sy hanangana tetezamita vaovao ny RPSD. Efa tafapetraka avokoa ireo andrim-panjakana takian’ny tondrozotra, hoy i Marson Evariste, fa pitsopitsony sisa.
Farany dia nanakiana tanteraka ny ataon’ny antoko UNDD tarihan’ny Pr Manoro Régis ny RPSD amin’ny fanoloana sy famindran-toerana tsy an-drariny an’ireo Sefo Cisco sy Dren sy tompon’andraikitry ny fampianarana tsy mety miditra UNDD. Tena iharan’ny antsojay amin’izany ny mpikambana RPSD manerana ny Nosy, hoy i Marson Evariste tetsy Androhibe omaly. Raha nanontaniana amin’ny antony tsy nirotsahany ho fidiana amin’ny anaran’ny RPSD ny tenany, dia nitsotra fa tsy manana 100 miliara ho laniana hanaovana «1er tour» izy ka aleony mandefitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.