Politique

Marson Evariste Tonga dia hamantana any am-ponja ingahy Ravalomanana


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Ho an’Atoa Marson Evariste, filoha nasionalin’ny antoko RPSD dia olom-pirenena manana zo hiditra eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Nampatsiahy anefa izy fa misy ny didim-pitsarana manasazy ity filoha teo aloha ity. Koa noho izany dia vantany vao migadona eny Ivato dia mety hivantana avy hatrany any am-ponja ingahy Ravalomanana fa tsy afaka ny ho any an-tranony, araka ny fahitan’ny filohan’ny RPSD azy. Ny SADC mitarika ny fanelanelanana rahateo efa nilaza, hoy Atoa Marson Evariste fa tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana eto koa tsy hita izay antony tsy hampiharana ny lalàna. Mazava ho azy moa, araka ny fanehoan-keviny ihany fa tsy afaka ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana raha voaheloky ny fitsarana. Dia manamafy hatrany ny ambaran’ireo mpomba ny FAT izany Atoa Marson Evariste fa na Tsiafahy na Antanimora no hivantanan’i Marc Ravalomanana raha tonga eto Madagasikara izy, ary tsy misy safidy hafa ankoatra izay. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT