Betsaka ireo Antoko politika nanohana ny filoha Andry Rajelina tamin’ny fifidianana, anisan’izany ny Mmm, Freedom, Vert, Hiaraka isika, Avi, Rpsd, Akfm, FafI V, Fanarenana, Avana, Liaraike…
Tsy hita popoka ao anaty fitondrana anefa ny AVI tarihan-dRatsirahonana Norbert Lala sy ny RPSD tarihan’i Marson Evariste izay anisan’ireo namono tena mihitsy nampandany an’i Andry Rajoelina. Ity farany dia nanao ny aina tsy ho zavatra tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany nisy azy (1er tour sy 2ème tour) ka nahazo salan’isa ambony ny kandida n°13 tany Manakara sy Vohipeno. Kivy ny lehilahy ka farany dia nanipy baolina amin’ny fitantanana ny Antoko RPSD mihitsy amin’ny Sekretera jeneraly, Andriantsizehena Benja Urbain, ho filoha nasionaly.
Ny AVI indray dia tsy nisy nahazo toerana na iray aza. Niady mafy ho Minisitra ny fikoha lefitry ny antoko, Atoa Rabenirina Jean Jacques, kanefa dia tsy nahazo fa nalefa amboletra ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Toliara, Tsy tiany io toerana nomena azy io fa avy amin’ny atao hoe akory atao.
Betsaka koa ireo antoko politika madinika no voailika amin’izao fotoana izao samy mimenomenona aty ivelany fotsiny amin’ny fanavakavahana mihatra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.