Politique

Marosoa Imady Nidina an-dalambe nitaky ny hanoloana ny PDS ny vahoaka


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

“Misaona sy malahelo ny vahoaka. Mikatona ny kaominina, tsy hankalaza ny fetim-pirenena izahay raha tsy apetraky ny fanjakana ny olona tianay vahoaka”.

“Tsy eken’ny vahoakan’i Marosoa sy Amoron’i Mania ny “Parachutage” na fanendrena olona avy any ambony”. Ireo no votoatin’ny fitokonana nataon’ny vahoakan’i Marosoa Imady, Distrikan’ambositra ny sabotsy 14 jona lasa teo. Nidina an-dalambe ary nilanja sorabaventy izy ireo. Anton’izao fitakiana izao, araka ny nambaran’ireo Sefo Fokontany miisa 14 sy raiamandreny to teny ary ireo vahoaka telo arivo mahery nilahatra ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny PDS vaovao ao an-toerana izay notendren’ny olom-boafidy iray. Marihina fa voafidy ho solombavambahoaka ny Ben’ny tanàna tao amin’ity Kaominina ity, ka nahatonga izao fanendrena PDS izao. Olona roa no voatendry, ary efa napetraka tamin’ny tapatapaky ny volana mey 2014 lasa teo. Nametra-pialana ny iray rehefa nanomboka niaka-pofona ny Vahoaka. “Mihatra eto Marosoa ny didy jadona, tsy nierana tamin’ny vahoaka sy ny mpanolotsaina ary ny sefo Fokontany ny mpitondra notendrena”, hoy ireto vahoaka ireto. Tsy misy sainam-pirenena mitsangana isam-baravarana ao amin’ity Kaominina ity amin’izao fotoana izao noho ny alahelon’ny olona ary misy aza lasa any amin’ny Kaominina hafa ny olona no mikarakara taratasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT