Politique

Marius Fransman ”Tsy manana fahefana hisambotra eto Afrika Atsimo ny mpitandro filaminana avy any ivelany”


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Manoloana ny fikasan’ny FAT handefa “commando” hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo, araka ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana FAT dia mazava ny valin-tenin’ingahy Marius Fransman, minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa sady nitarika ny iraky ny Troika tonga nandamin-draharaha teto farany teo, fa tsy manana fahefana hanao izany any amin’ny tanin’i Mandela ny mpitandro ny filaminana avy any ivelany.

 Izany hoe tsy afaka ny hitsabaka any Afrika Atsimo ny tariky ny jeneraly Ravalomanana Richard. Araka ny fantatra moa dia polisy be galona dimy ary ofisie an’ny zandary dimy hafa no hoe hiala eto Madagasikara amin’ny fotoana izay tsy mbola fantatra ary hihazo an’i Afrika Atsimo hisambotra an’i Marc Ravalomanana sy mpiara-dia aminy miisa dimy hafa. Raha nosokirin’ny mpanao gazety mikasika io didy fampisamborana io anefa moa ingahy Rajoelina raha tena fotoana tokony hanaovana izany amin’izao, nandritry ny fizarana vary maimaimpoana tetsy Anatihazo Isotry omaly dia nilaza fa misy tompon’andraikitra ara-pitsarana sy ny fandriampahalemana eto fa tsy misy idirany izany. Ary dia nambarany fa tompon’andraikitra amin’izay ataony ireo olona ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT