Politique

Marius Fransman Hanezaka faramparany


  • Zoma 10 Aogositra 2012

Tsy maintsy hanao tatitra momba ny dinika tany Seychelles amin’ireo vondrona 10 tonta nanasonia ny tondrozotra ny SADC, ary anio no tokony hanatanterahana izany.

Efa tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Troika ny handefa delegasiona manokana eto Madagasikara, izay tarihan’i Marius Fransman. Henjikenjika ihany koa moa ny asan’ity farany satria hifarana amin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fe-potoana iasany, koa rariny sy hitsiny raha mba manezaka farany izy. Izay, izany vao tena hahafantatra amin’ny antsipirihany izay nifampiresahana tany Seychelles, ireo vondrona politika ireo, ka aorian’izay vao hahafantatra ny zava-misy koa ny olom-pirenena satria, tsy maintsy hivoaka amin’izay, izany ny vaovao tena marina momba ny dinika tany Desroches sy Mahe.
 
Ny tena mahoraka aloha dia ny hoe : tsy nahomby ny dinika, saingy mety mba misy ihany ny dingana vita, ka izay no iandrasana fatratra izay tatitra ho ataon’Atoa Fransman. Nanome fe-potoana hatramin’ny 17 aogositra ny SADC mba hahitan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ny vahaolana, dila io fe-potoana io dia milaza ny hanasazy ny SADC, ka hailika tanteraka izay hita fa tena vato misakana amin’ny famahana ny krizy. Araka ny vinavina anefa dia tsy mbola hanambara izay izay meloka, ka hosaziana ireto iraky ny Troika ho avy eto Antananarivo ireo, fa hanao tatitra fotsiny. Azo ambara fa nitsefotra aloha hatreto ny diniky ny roa tonta, samy mbola mitana ny heviny i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Azo eritreretina fa mety hanova paikady kely indray aloha ny SADC hiverina hiresaka amin’ireo vondrona politika hafa, handinihana ny mety ho tohin’ny raharaha. 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT