Politique

Mariky ny fahalemena Taratasim-bolam-panjakana amina miliara voasoloky


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Tsy olona lavitra no mahavita misoloky amina miliara tahaka ity tany Toamasina ity.

 Mitentina 613.364.880 ariary sy 409.435.120 ariary ireo taratsim-bolan’ny Tahirim-bolam-panjakana na Trésor no saron’ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana. Araka ny voalazan’ireo zandary dia tsy mora ho an’ny daholobe mihitsy ny manavaka ireto taratasim-bola sandoka ireto. Misy ny sasany amin’izy ireo mantsy dia nivoaka avy amin’ny fanjakana mihitsy saingy tsy mbola nahazo laharana. Misy ihany koa anefa no tena sandoka mihitsy satria sonia samihafa. Saingy ity farany indray dia tsy fantatra raha tsy halehibiazina mihitsy ilay taratasim-bola. Efa nahazoan’ireo mpampiasa sandoka 100 tapitrisa ariary izao tetikasa izao teo aloha. Olona 7 no naiditra am-ponja ny 18 aogositra teo. Isan’ireo voarohirohy tamin’ity resaka ity ny tompon’ny orinasa atao hoe “Ambinintsoa”, mpiasa ao amin’ny Trésor any an-toerana ary ny mpiasan’ilay banky saika hakana ireo vola.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT