Politique

Marcellin Razanakoto Namboarina fa namadika


  • Zoma 10 Febroary 2012

Novidian’ny CT Razanakoto Marcellin lafo ny nanaovany fanambarana mitaky ny hialan-dRajoelina amin’ny fitantanana ny firenena ao anatin’ny 24 ora, tapa-bolana lasa izay.

 Nanaovan’ny zandary vela-pandrika ity mpitarika ny KMDT (Komity Miaro ny Demokrasia sy ny Tetezamita) ny alarobia 08 febroary 2012, ny ampitson’ny nanaterany voninkazo teny Tsangambaton’ireo lavo tamin’ny 07 febroary 2012 ka dia noraisim-potsiny ary dia notanana teny amin’ny borigadin’Andoharanofotsy hatry ny omaly. Fanararaotam-pahefana, famingavingana mpitandro ny filaminana no anenjehana azy, raha niaro olona, voarohirohy tamin’ny halatra tariby voatana teny amin’ny zandary Alasora teny. Niezaka nanazava ny jeneraly Richard Ravalomanana fa tsy misy resaka politika, na baiko avy any Ambohitsorohitra izao fitazonana an-dRazanakoto Marcellin izao hatao fanadihadiana izao, fa heloka tsotra. Ireo mpikambana amin’ny Kongresy sy ny mpanara-maso politika kosa mihevitra fa namboarina i Marcellin Razanakoto fa nivadika tamin’ny FAT.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT