Politique

Marcellin Razanakoto KMDT «Mialŕ ianao Andry Rajoelina»


  • Talata 24 Janoary 2012

Tsy mahefa ary tsy mahatontosa ny andraikiny amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy i Andry Rajoelina raha ny nambaran’ny CT Marcellin Razanakoto, filohan’ny KMDT.

 Mitady hatrany izay hanitarana ny tetezamita izy raha ny filazan’ity CT ity ary satriny aza hiampy indray ny krizy hahafahany mijanona eo amin’ny toerany. Tsy miezaka ny hitsapa ny fahorian’ny vahoaka Malagasy mihitsy izy amin’izany raha ny filazan’i Marcellin Razanakoto ihany nefa vao miha-mandatsaka ny firenena anaty lavaka sy mampiditra ny Malagasy amin’ny fahantrana lalina ny zavatra nataony.

Araka izany dia nahitsy ary tsy niolaka ny tenany nitaky tamin’i Andry Rajoelina : «Mialà ianao faran’izay haingana fa tsy vitanao intsony io !». Rehefa tsy hanaiky hiala ny filohan’ny tetezamita araka ny nambarany dia hiantso sy hitaona ny vahoaka hanao fihetsiketsehana izy ireo, mba hahafahana mamerina amin’ny vahoaka ny safidiny sy hametrahana ny Repoblika fahefatra. Hangataka amin’ireo hery velona rehetra ihany koa hanohana ny hetsi-bahoaka, satria efa tena tafahoatra ny mety loatra ny zavatra ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany.

Tsy hisy na inona na inona azo atao intsony mantsy eto satria rava ilay «processus» efa narahana teo, noho ny tandrametaka nataon’ny FAT ihany. Efa nisy fandinihana ny CENI tany aloha raha ny nambarany, ka tsy misy antony hamerenana handinihana azy intsony raha toa ka tsy ao ireo mpikambana ao amin’ny parlemanta izay nanaovana ny fanitarana sy hamerenana indray ny fanapahana mikasika ity rafitra iray ity.
Tsy misy vahaolana intsony afa-tsy ny fialan’ny filohan’ny tetezamita raha ny nambaran’ny CT Razanakoto Marcellin satria efa tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena intsony mihitsy. Efa voaomana ny drafitra hanalana ny filohan’ny tetezamita, hoy izy, raha toa ka miziriziry manao be marenina ny tenany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT