Niditra tamin’ny antso an-tariby mivantana teny amin’ny Magro Behoririka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny tolakandron’ny sabotsy 26 mey teo.
Nandritra izany no nilazany fa dia vonona hatrany amin’ny fifampidinihana ny tenany, hitadiavana vahaolana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy mampahory ny vahoaka malagasy izao. Na izany aza dia notsipihiny mazava fa any amin’ny SADC ny fanalahidin’ny famahana izao olana politika eto Madagasikara izao. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny herisetra atao amin’ny Malagasy mitaky am-pilaminana ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra. Henatra ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara ny zava-miseho ankehitriny, hoy Atoa Ravalomanana.
Tsy takona afenina rahateo satria dia manara-maso akaiky ny zava-misy eto izao tontolo izao, hoy izy. Voaresaka nandritra ny fankalazana ny andron’i Afrika izany. Mitatitra ny zava-miseho eto Madagasikara rahateo ny eo anivon’ny Birao fifandraisan’ny SADC, izay nilaza fa ny mpitandro filaminana dia tsy natao ho herim-pamoretana ny vahoaka fa natao hiaro ny fananany. Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha eto ny Vondrona Eoropeanina. Resahina mandritra ny fivorian’ny Parlemantera eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Afrika-Karaiba-Afrika izay tanterahina any Danemark, hatramin’ny 30 mey izao, ihany koa ny toe-draharaha misy eto Madagasikara. Miatrika izany fihaonana sy fifanakalozana iraisam-pirenena izany any Danemark rahateo Atoa Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana. Miandry izay fehin-kevitra mivoaka any isika, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Ity farany izay nanipika fa zavatra roa no tsara ho fantatry ny Malagasy. Raha tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena sy miasa miaraka amin’ny firenena any ivelany isika dia tsy misy fanampiana ho azo. I Madagasikara nefa tsy mbola nahazo fankatoavana noho ny sazy natao aminy vokatry ny fanonganam-panjakana niseho teo tamin’ny 2009. Rehefa tsy manaja ny tondrozotra dia mihanjahanja eo fotsiny ny mpitondra.
Mikasika ny fifidianana izay voizin’ny mpitondra ny tetezamita fa hatao amin’ity taona ity, dia fampahatsiahivana no nataon’Atoa Marc Ravalomanana. Mazava ny tenin’ny Frantsay, hoy izy fa tsy mankasitraka ny fifidianana tsy demokratika, ary ny Amerikana tsy hanampy ny tsy manaja ny zon’olombelona.
Vaky ny tanàna
Mitohy ao amin’ny Magro Behoririka hatrany ny hetsiky ny zanak’i Dada. Hiverina anio indray ny fifampizaram-baovao ao rehefa niato kely izany ny alahadin’ny pentekosta sy omaly alatsinainy. Maneho hevitra am-pilaminana isika, hoy Atoa Ravalomanana. Eto amin’ny Magro no fihaonantsika, maka saina ary mifampita vaovao, hoy Raveloson Constant nanamafy izany. Notsiahivin’ity farany fa rehefa nivoaka Magro ny CST sy CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny 28 aprily 2012 dia vaky ny tanàna. Nanomboka teo hoy izy dia samy namaky tanàna daholo, dikany izany dia isika zanak’i Dada no mamaky lay ny tanàna, lasa sahy mivoaka mitaky an-dalambe ny rehetra ankehitriny. Dikany hoy i Constant dia mandroso ny tolona ataontsika eto amin’ny Magro ary nisy dingana sy fiovan-javatra lehibe ny ketrika nataontsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.