Politique

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Maro no efa nahatsapa fa marina ary tsy azo lavina ny tenin’i Marc Ravalomanana, mila mifampiresaka, ampanginina ny hambom-po vao afaka tena miroso amin’ny fampandrosoana.

 

 

 Manomboka mahatsiaro ny teniny ny rehetra fa tsy afaka ny hiolonolona eto isika raha mbola izao toekarena marefo izao, fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Karazana eson-teny anefa no nataon’ny filoha ankehitriny sy ny ekipany tamin’ny hoe hiara-kiasa amin’ireo mpara-miombon’antoka any ivelany sy hikaroka famatsiam-bola tamin’ireny adihevitra nandritra ny propagandy ireny  ? Io ny fanjakana ankehitriny fa kepoka sy mandadilady amin’ny mpamatsy vola dia ny BAD (Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana), ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy arakaraka ny teny fanesoana tany aloha. Tsy misy ratsy ny vinan’ny an-daniny sy ny an-kilany tamin’ireny fa ny fijerena ny laharam-pahamehana sy ny zavatra haterany kosa tsy hitovy mihitsy. Tsy hampanantena building anareo aho, hoy i Marc Ravalomanana fa ny zava-dehibe dia ny miasa miaraka, miasa mafy, ary misitraka ny vokatra avy eo. Any amin’ny maharary ny vahoaka no mila vahaolana maika, toy ny fametrahana ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, fidiram-bola … fa tsy any amin’ny rendrarendran’ny mpitondra. Tsy vitan’ny kisehoseho ivelany sy fizarana ny olona ho zatra tolorana amin’ny alalan’ny vary mora fa mila asa sy fiaraha-mientana. Rehefa voatsinjo amin’ny fivelomany sy ny asa fihariany, toy ny fambolena ny olona, dia mitombo ho azy ny fidiram-bola. Rehefa afaka miasa sy mamokatra, dia mihena ho azy ny tsy fandriampahalemana fa tsy ny resaka angidimby handaniana vola be no andeha hireharehana fa miady amin’ny tsy fandriampahalemana, ohatra.Mahita , mandre ary miaina ny zava-misy ny Malagasy ankehitriny ary mahatadidy tsara ny tenin’i Dada: “ izay mahasoa anareo no atao fa tsy izay mahafinaritra”.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT