Nitsidika ny tapany avaratra atsinanan’ny nosy ao anatin’ny faritra Analanjirofo amin’ny lalam-pirenena faha -5 (RN5) iny ny faran’ny herinandro teo Atoa Marc Ravalomanana.
Tafiditra tao anatin’ny diany ny tao Mahavelona (Foulpointe), Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo ka tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fanatrehana ny isan-kerintaonan’ny Synodam-paritany atsinanana afovoany 02 (SPAA02) amin’ny maha ny filohan’ny komitin’ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM ka nanentanany ny mpino hifanotrona sy hifanohana amin’ny fiatrehana io fotoan-dehibe io sy ny fananganana ny tsangam-bato eny amin’ny kolejy Teolojika Ivato. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana ihany koa fa manana vina ny hanorina trano ho an’ireo mpitandrina ny komity fankalazana ny faha-50, trano moderna sy mafy izay haharitra 50 taona.
Tsy hihemotra
Ankoatra izay, nifanerasera sy niresaka mivantana tamin’ny olona sendra azy teny an-dalana teny ihany koa ary nanokana fotoana nihaonana tamin’ireo mpikatroka TIM i Marc Ravalomanana. Nandritra izany no nametrahan’ny olona fanontaniana noho ny resaka be mandeha fa tsy avela hilatsaka hofidiana izy amin’ny 2018. Miahiahy izahay, hoy ireo niresaka taminy. Nanamafy ny tenany fa kandida izy, tsy matahotra ny don-tandroka sy ny fandrahonana, tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ihany koa. Efa eto aho izao ka aza be fanahiana intsony. Mila mpitondra sahy i Madagasikara satria tena tafalatsaka anaty fahantrana loatra ny Malagasy. Tsikaritra nandritra ny diany tany atsinanana fa mbola mamy hoditra eo amin’ny vahoaka amin’iny faritra iny i Dada ary tsy misalasala ny olona miresaka aminy sy milaza ny hetahetan’izy ireo. Miteny ihany koa ny soso-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa rahatrizay tafaverina eo amin’ny fitondrana indray. Voaray ny hetahetanareo ary atao solika hanomanana ny ho avy izay mahatoky fa ho avy ny fotoana hahafahany indray mitondra ny fahaizany sy ny traikefany hanampiana ny Malagsy sy hanarenana izao fahavoazan’i Madagasikara izao, hoy izy. Vitantsika tsara ny mampandroso an’ity Madagasikara ity, hoy izy satria manana vina sy fandaharanasa mazava isika ary mahafantatra tsara ny tena filan’ny mponina amin’ny faritra rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.