Politique

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny filaminana raha mbola mahantra ny olona”


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Tany Ambanja indray omaly Andriamatoa Marc Ravalomanana, nijery ny zava-misy ka voalohany hita

tamin’izany ny faharatsian’ny lalana, ny tanàna maloto ary ny firongatry ny asan-jiolahy. Tsy voafehintsika eto mihitsy io resaka filaminana io raha mbola mahantra sy tsy manana asa ny olona, hoy izy. Distrika 50 izao no efa notsidihako mba hamantarana ny tena zava-misy marina, hoy i Marc Ravalomanana ary hita fa tena sahirana ny olona. Ho an’Ambanja manokana dia maro ny hetahetan’ny mponina izay nozarain’izy ireo tamin’i Dada. Anisan’ny tsy maintsy hojerena ny fanadiovana ny tanàna, hoy izy hahafahana manampy ireo mpamokatra Cacao. Latsaka ambany dia ambany mantsy ny vidin’izy io amin’izao fotoana. Eo amin’ny ara-politika indray dia tsy maintsy karohantsika ny hevitra hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary hahafahan’ny rehetra mandray anjara, hoy hatrany izy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT