Anisan’ny mbola miteraka adihevitra eto amintsika ny fifidianana loholona tamin’ny 29 desambra. Feno 7 taona omaly alahady ny 7 febroary 2009.
Nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny sabotsy lasa teo rehefa tsy dia re feo elaela ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nandritra ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny TIM teny Imerinkasinina.
Tsy meloka aho
Nohamafisiny fa kitoatoa, tsy nandeha arak’izay laoniny ny fifidianana loholona natao farany teo, tena diso hevitra ny mpitondra raha mihevitra fa iny fifidianana iny no hahazoany ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena. Loholona 3 monja no azon’ny TIM, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy maninona izany fa dia ho hitantsika eo ny tohiny. Raha ohatr’ireny ny fomba fiasa sy fomba fanao dia tsy hisy fifidianana azo itokisana handeha amin’izay laoniny eto, hoy izy. Momba ny raharaha 7 febroary 2009 indray dia nanamafy i Marc Ravalomanana ary nanitrikitrika fa tsy meloka izy. “Tsy maintsy mivoaka ny marina momba ny raharaha 7 febroary 2009. Ny marina tsy mba maty, ary tsy namono olona aho na iray aza, tsy izaho mihitsy no hamono na hampamono Malagasy…”. Ankoatr’izay dia nilaza ity filoham-pirenena teo aloha ity fa tsy nivarotra tany, tsy nivarotra tanindrazana izany ny tenany. Ho an’ireo nitsara sy nanameloka azy hiasa anterivozona mandra-pahafaty noho ireo raharaha ireo kosa dia tsotra ny tenin’i Dada : “tsy anjarako no mitsara azy ireo, nanameloka ahy ry zareo, azy ny azy”. Nisintona ny sain’ny rehetra anefa izy fa tokony hihavana ny Malagasy fa tsy variana mifanenjika sy manao adilahy politika fotsiny raha tena tiana handroso marina ny firenena.
Tiko aloha
Mikasika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 kosa dia nilaza i Marc Ravalomanana fa mbola 2016 izao, aleo aloha hosokafana ny tiko, hoy izy hanasoavana ny vahoaka. Momba ilay fihaonana an-tampon’ny frankofonia indray dia tsy manan-kolazaina aho fa ny taniko aza nalain-dry zareo, hoy izy. Eo amin’ny tontolo politika indray dia tsy milaza ho mpanohitra ny TIM ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina azy satria matahotra mpanohitra ny fitondrana dia aleo tsy miteny aloha, misy fotoana ny zava-drehetra, hoy izy. Nampatsiahy ihany koa nandritra ity fotoana tamin’ny sabotsy ity i Marc Ravalomanana fa nanome vola 1 miliara ariary ho an’ny ben’ny tanàna tamin’izany fotoana Andry Rajoelina izy, fony izy filoham-pirenena mba hanamboarana ny lapan’ny tanàna. Nifampitaona teny Imerinkasinina moa ny sabotsy 6 febroary lasa teo ny Tiako I Madagasika sy ireo mpiara-dia aminy namboly hazo Ravintsara sy Aviavy, mba ho fandraisan’anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hiadiana amin’ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.Fotoana ihany koa nampisehoan’ity antoko ity fa matanjaka izy ary tena mbola mahazaka olona tsara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.