Samy manaja tsara ny lalàmpanorenana sy ny tany tan-dalàna dia vita soa aman-tsara ny fifidianana ary tsy misy ny krizy, hoy i Marc Ravalomanana manoloana ny fanontanian’ny mpiara-miombon’antoka sy ny masoivoho vahiny.
Mila mamela ny sasany mba hanana sehatra eo amin’ny filazam-baovao sy ny serasera hahafahana maneho hevitra ihany koa ny mpitondra. Mandrak’ankehitriny, tsy fantatra ny fotoam-pifidianana, kanefa ny fotoam-pivorian’ny parlemantera tapitra. Milaza anefa ny fanjakana fa tsy maintsy hatao ny fifidianana amin’ny taona 2018. Eo ihany koa ireo filana antsojay isan-karazany, sakantsakana … Amin’ny maha filohan’Antoko ny tena dia mahatsiaro ho manana andraikitra, ary tsy maintsy mijoro milaza ny marina sy ny tena zava-misy, hoy izy. Fantatra ny teniny sy ny lazainy fa hoe izy no antoko politika matanjaka indrindra, ka jereo ny mampatanjaka anao ary ! Fa izao ihany koa hoe mba haraho ny lalàna, hoy ny hafany miantefa amin’ny HVM, indrindra fa ho an-dRivo Rakotovao. Ny nahatonga anao ho filohan’ny Antenimierandoholona teo ve mba nandeha araka ny lalàna tsara ? Ny nanoloana anao amin’ny fahabangan-toerana ao amin’ny antenimierandoholona ara-dalàna, fa ny nahatonga anao ho lasa filohana andrim-panjakana tsy ara-dalàna,… ka dia mba mampahatsiahy aho mba jereo ilay izy fa tsy izany akory ny fitondra firenena, tsy izany akory no mampatanjaka, hoy ny filoha teo aloha. Naheno feo aza izahay hoe nampiasa fandrahonana, izay tsy fantatro ny fahamarinany, fa izay fotsiny hoe tsy nifanaraka tsara amin’ny lalàna no nahatonga azy io ho lasa filohana andrim-panjakana, hoy izy. Miteny an’izany aho satria mahatsapa ny fiteninareo fa anananareo trosa ny tenako. Tsy tokony hafangaro izaho Marc Ravalomanana amin’ny maha izaho sy ny resaka orinasa sy ny trosa anananareo momba ny Tiko, hoy hatrany izy. Izahay rangahy ity mahalala tsara ny fitondrana ity firenena ity, ary fantatray ny tokony hatao ary tsy hanaotao foana amin’izany izahay, fa tsy iny no dradradradraina andro aman’alina eo, ary mba jereo ihany koa ny zavatra nataonao, hoy izy mantsy an-dRivo Rakotovao. Matoa nitranga ny trosa dia nisy krizy teto nanomboka ny 2009 hatramin’izao, ka aza mihevitra ny tenanareo ho marina foana ianareo.
Ataovy mazava ny fitsipi-dalao
Raha ohatra samy mieritreritra isika ny tsy hisian’ny krizy dia ataovy izay hisian’ny fifanajana, hoy Ravalomanana. Mifampiarahaba sy mifampihatsaravelatsihy fotsiny ka tsy mety ary aleo tsy misy, hoy izy nandray ohatra ny zava-niseho tany Betafo. Nanaovana antsojay ny ben’ny tanàna TIM, ka anisan’izany ireo 13, izay nisy ny notifirina dia maty, nefa hatramin’izao tsy fantatra ny antony, ny sasany gadaraina,… Izao indray dia avoaka ny lalàna hisakantsakanana. Raha tena mihevitra tsara ny mpitondra, indrindra ny Filoha Rajaonarimampianina hoe tsy hisy krizy eto, dia araho tsara ny lalàna sy ny fifanajana mba tsy hahatonga ny vahoaka hitroatra, hoy izy. Mikasika ny fitokanan-javatra etsy sy eroa ve dia tena marina fa tena anareo avokoa ireny, hoy i Marc Ravalomanana. Aleo hipetraka sy hazava ny fitsipi-dalao, ary ataovy mitovy laharana ny lehiben’ny Antoko. Tsy maintsy hijoro sy hiezaka hatramin’ny farany aho, raha ilaina dia hanao izay ezaka rehetra hivondronan’ny mpanao politika rehetra hisian’ny fifampiresahana. Afaka adidy izahay rehefa ianareo mpitondra no manao ny ataonareo any, fa mihevitra ny tenanareo ho matanjaka ka tsy mila ny hafa, hoy i Marc Ravalomanana izay hita fa tsy hanaiky holembenana hatramin’ny farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.