« Vonona tanteraka aho fa ny andro sisa iainako dia hanasoavako ny vahoaka Malagasy”, hoy ny filoha teo aloha raha nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpomba azy ny sabotsy lasa teo.
“Raha nisy tsy nety dia mangataka famelana avy amin’Andriamanitra aho. Amin’ny maha olombelona dia tsy ilaozan’ny fahadisoana, koa raha nisy nataoko taminareo na tamin’iza na tamin’iza dia ifonako eo anatrehan’ Andriamanitra sy eo anatrehanareo. Zava-dehibe amiko izany satria mahatsiaro aho fa mbola misy antso, mbola misy iraka tokony hataoko ; ary matoa aho mbola velona sy salama ary matanjaka dia tena manao teny anankam-po aho, manao voady hoe tena hanao izay hanasoa ny vahoaka Malagasy, ny mpiara-belona sy ny fiangonana araka izay tratry ny heriko aho. Tsy hitsahatra na hipetraka fotsiny eo anivon’ny fiangonana FJKM na ny fiangonana Kristianina fa amin’ireo olona rehetra manana finoana. Isika rehetra samy mahatsapa fa tempolin’Andriamanitra isika, ny hevitra no tsy mitovy na ny finoana no samy manana ny azy fa ilay Ray izay itokiantsika dia ilay Andriamanitra Andriananahary”, hoy ihany i Marc Ravalomanana izay tsy nanafina ny hafaliany tamin’ny nanomezan’ny synoda lehibe fitokisana azy, ka nahalany azy ho filoha mpanampy eo anivon’ny Fjkm ato anatin’ny efa-taona ho avy.
Tsy nohadinoiny moa ny nisaotra ireo pastera sy ireo nikarakara ary ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny synoda lehibe tany Manakara. Niantso ny Malagasy koa ny tenany tsy hifandrafy satria efa tena sahirana loatra ny firenena. Tokony hanambatra ny heriny ny rehetra, hoy izy satria efa betsaka izay very izay. Nambarany ihany koa fa raha nandalo tany Pretoria, Afrika Atsimo ny minisitry ny raharaham-bahiny eo anivon’ny vondrona eoropeanina, Christine Ashton, ka nifampidinika taminy dia nangataka ny hanafoanana ny sazy amin’i Madagaskara ny tenany rehefa mazava tsara ny fametrahana sy fanatanterahana ny sori-dalana. Notsiahivin’i Marc Ravalomanana fa vola hatrany amin’ny 677 tapitrisa euros no efa azon’i Madagasikara avy amin’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny taona 2007- 2008 saingy amin’izao dia tsy misy afa-tsy 150 tapitrisa euros sisa izany. Tsy afaka nitahiry manko ny Eoropeanina satria maro ireo firenena hafa no sahirana ka dia nomeny ny hafa izany, toy izany koa ny an’ny Banky iraisam-pirenena izay voatery tsy maintsy nomena firenen-kafa ny tokony ho anjaran’i Madagasikara. Tsy hisy fampandrosoana sy fifidianana azo hatao raha tsy milamina ny firenena sy tony ny vahoaka, hoy izy. Samy mahatsapa ny rehetra, hoy ihany Ravalomanana fa ny vahoaka no tompon’ny fahefana ka tsy misy afaka handa na hanakana ny safidim-bahoaka.
Niantso ny rehetra ny tenany hanaiky izay ho voka-pifidianana hivoaka amin’ny volana mey moa ny tenany. Nanome toky i Marc Ravalomanana fa raha nifampidinika tamin’ireo mpamatsy vola ny tenany dia samy nanambara ny fahavononany hanampy sy hiara-kiasa amin’i Madagasikara izy ireo raha tena manam-piniavana ara-politika tsara ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fitondrana. “Miandry antsika izao tontolo izao”, hoy izy. Niantso ho amin’ny fifandeferana sy ny fahanginana i Marc Ravalomanana fa Andriamanitra no hanao ny asa. Nanome toky koa ny tenany fa tsy maintsy tafaverina ny hasin’ny firenena, tsy maintsy hahita asa ny vahoaka ary tsy maintsy hamokatra ny tantsaha ary ny ankizy afaka hianatra ihany koa.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.