Politique

Marc Ravalomanana “Tsy mila amnistia aho !”


  • Zoma 30 Martsa 2012

Niala tamin’ny fahanginany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa tsy nandrenesam-peo hatramin’ny 15 febroary 2012, taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Giovanna.

 Roa andro nisesy izay, ny alarobia sy omaly alakamisy 29 martsa dia nitafa mivantana tamin’ny antso an-tariby niainga avy ao Afrika Atsimo, ho ren’ny mpomba azy tetsy amin’ny kianjan’ny finoana, Behoririka izy. Nambarany omaly, fa tsy tokony ho andro lasa fahazarana fametrahana voninkazo fotsiny ny 29 martsa fa tokony ho tsiaro mivaingana an’ireo maherifon’ny tanindrazana. Araka ny fanazavany dia nisafidy ny nangina ny tenany satria tao anatin’ny asa famolavolana ny momba ny amnistia ny ekipany rehetra, na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Momba izay amnistia izay indrindra dia mazava ny teniny. “Tsy mila amnistia aho satria fitsarana tsy mahefa no nitsara ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko aho ary tsy misy atahorako. Tsy izaho no mila amnistia fa ireo olona nogadraina tsy an-drariny”, hoy i Marc Ravalomanana. Nankasitrahany moa ireo eo anivon’ny fitondrana ny amin’ny safidy hoe famotsoran-keloka faobe no natao. Rehefa vita ny momba izany amnistia izany, araka ny fanazavany ihany dia tsy tokony hihemotra intsony fa hirosoana ny fanatanterahana ny sori-dalana, anisan’izany ny andininy faha-20.

Vonona - Nanambara ihany koa i Marc Ravalomanana fa tsy ho ela ny hiverenany eto an-tanindrazana. Efa voasoratra ao anatin’ny sori-dalana rahateo moa izany. Nilaza ny tenany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara. Ho an’ireto farany dia tsy afaka hanome vola izy ireo raha tsy milamina ny eto an-toerana, anisan’ny toky lehibe hisian’izany filaminana ka hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny “fifampiresahana sy fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy”. “Vonona hiresaka aho, hanaja sy hanatanteraka izany voasonia ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Mila famonjena sy fiaraha-miasa ny zava-misy amin’izao fotoana izao fa efa tena fadiranovana ny vahoaka”, hoy ihany i Marc Ravalomanana. Ny famonjena ny firenena no tanjona, hoy ihany izy ka izany dia mitaky firaisankina sy fifanomezan-tanana avy amin’ny tsirairay.

Fifamelana - Tsy fotoanan’ny fifampihantsiana izao fa fandinihan-tena, hoy i Marc Ravalomanana izay niantso ny amin’ny hanajanonana izay teny sy fihetsika mendrika fihantsiana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy hisy lalana hivoahana amin’izao loza izao manko, hoy izy raha tsy mifampiresaka sy mihavana. Nanambara koa ny tenany fa diso hevitra izay milaza tena fa manana ny marina. Tsy maintsy ho tonga ny fotoana tsy maintsy hisian’ny tena fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, hoy ihany izy. “Apetraho ny hambom-po, tandremo ny filaminana”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana izay nanamafy fa tsy hanakorontana ny tenany raha ho avy eto fa hiaraka hiasa hamerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena sy hamerenana indray an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT