Politique

Marc Ravalomanana « Tsy mamaly ny filan’ny vahoaka ny asa atao eto… »


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tsy ho mpanohitra be fahatany fa mitondra vahaolana izahay, hoy i Marc Ravalomanana filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara),

 

 nandritra ny fikaonan-dohan’izy ireo tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny sabotsy teo. Mampita ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, ary nohamafisiny fa ara-dalàna sy ara-drariny ny maha filohan’ny mpanohitra azy taorian’ny fifidianana filoha ny taona 2018, ka ampiharo ny lalàna 2013-011 momba ny fanoherana, hoy ny fanambarany. Rehefa tsy manaiky izany ianareo, dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena no hiditra an-tsehatra satria izy ireo aza manaiky ahy ho mpanelanelana (interlocuteur) hilaza ny zava-misy ho ren’izao tontolo izao, hoy izy. Mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna, indrindra teto Antananarivo, dia tsy hoe vita ny fifamindram-pahefana dia vita fa tsy misy mitsoa-pahana izany (never give-up) ary efa nampiakatra any amin’ny filankevi-panjakana. Nohamafisiny fa nokitihana ny lisi-pifidianana ary misy porofo tsy avy eto an-toerana ihany fa avy any ampitan-dranomasina dia ny fanesorana, fanampiana olona ka raha 554 izy dia lasa 559. Ny tribonaly ambaratonga voalohany irery ihany no afaka mikitika ny lisitra, fa ny ankoatra izay fandikan-dalàna. Nandefa taratasy any amin’ny PNUD, ary tsy hanatrika ny fanasan’ny CENI momba ny tatitra sy atrikasa hatao manomboka rahampitso talata 28 janoary ny mpanohitra satria fanekena ny zavatra hitany fa tsy nety izany. Ara-toekarena sy ara-tsosialy, dia tsy mamaly ny filan’ny vahoaka ny laharam-pahamehan’ny fitondrana fa variana amin'ny zavatra hafa. Tsy voajery ny fotodrafitrasa, fandriampahalemana, fahaiza-mitantana, jiro rano, fandriampahalemana …. Ny resaka kolikoly dia lasa faha-158/180 raha 152 tamin’ny taon-dasa, ary 85 tamin’ny 2008. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana toy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’ny ainy na “sécurité physique” ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ho an’ny fampiasam-bolany (sécurité d’investissement), hany ka tsy mahatoky ny mpamatsy vola. Raha efa maherin’ny 1,13 lavitr’isa dolara ny fampiasam-bola avy any ivelany na ny « investissement direct étranger » tamin’ny taona 2008 dia nitotongana be hatramin’ny taona 2010 ka tsy mihoatra akory ny 400 tapitrisa dolara izany amin’izao. Tena misy fiantraikany eo amin’ny famoronan’asa sy ny ady amin’ny fahantrana izany. Ny mahagaga anefa dia tsy hita izay tena paik’ady atolotry ny mpitondra, hoy Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT