«Ho avy i Dada fa aza matahotra !», hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpomba azy tetsy amin’ny Magro omaly, taorian’ny nanakanan’ny filohan’ny FAT an’ ity filoham-pirenena voafidim-bahoaka ity tsy hody an-tanindrazana ny sabotsy 21 janoary 2012 teo.
«Tsy misy olona afaka manala ny fitiavana, dia ny fitiavan-tanindrazana, sy ny fitiavany ny firenena na inona na inona fihetsika mamoafady atao fa afatotry ny afom-pitiavana isika», hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana. “Ny vatako no tavela aty (Afrika Atsimo), hoy izy fa ny saiko sy ny fanahiko efa any Madagasikara”. Nambarany fa tamin’iny sabotsy iny, rehefa tafaverina tany Afrika Atsimo izy dia tsy nety niala tao anatin’ny fiaramanidina nandritry ny ora vitsivitsy. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo mpitondra tao Afrika Atsimo ka dia napetraky ny fanjakana Afrikanina Tatsimo ao amina trano fandraisam-bahiny lehibe iray ny fianakaviana Ravalomanana mandra-piverin’izy ireo aty Madagasikara.
Zavatra tsy fampiseho masoandro no nataon’ny FAT, hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana izay niantso ny Malagasy tsy hanaiky lembenana. «Tsy hanaiky isika raha tsy tafaverina amin’ny laoniny ny fiainana, ny fandriampahalemana eto Madagasikara, hahatongavana amina fifidianana malalaka sy mangarahara hisafidianan’ny vahoaka malagasy izay tiany hitondra ny fireneny», hoy ity filoha lanim-bahoaka.
Mila famonjena ny Malagasy, hoy ihany izy ary vonona hanampy antsika izao tontolo izao izay nahita ny zavatra nataon’ny FAT. Nohamafisiny matetika tao anatin’ny fifampiresahany tamin’ny vahoaka tao amin’ny kianjan’ny Magro omaly fa tsy maintsy tafody izy, tsy maintsy ho tonga eto an-tanindrazany na inon-kidona na inon-kihatra. «Rehefa miteny aho hoe ho avy dia ho avy tokoa aho izay», hoy ny filoha Ravalomanana nanamafy. Nanentana ireo mpiara-dia aminy hanana finoana sy faharetana moa ny tenany. Nisaotra ireo marobe tonga nanohina ny antso tamin’ny sabotsy tokony hitsena azy koa izy ary dia nankahery sy naneho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ireo nanana ny maty sy naratra vokatry ny herisetra nataon’ny mpitandro ny filaminana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.