Politique

Marc Ravalomanana “Tsy maintsy tafaverina aho”


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

“Fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy ireny fihetsika ireny. 45 minitra mialoha ny tsy hidinan’ny fiaramanidina ao Madagasikara no nilaza ilay mpanamory fa nilatsaka ny NOTAM manakatona ny seranam-piaramanidina any Madagasikara”, hoy i Marc Ravalomanana raha niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo, tao amin’ny Matv ny sabotsy alina teo manoloana ny fanakanana azy tsy hiditra eto an-tanindrazana tamin’io andro io.

 Nambarany fa efa nahazo tsodrano avy amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo sy ny SADC ary ny Troika ny fikasany hody aty Madagasikara izy. Raha nihaona tamin’ny filoha Jacob Zuma ny tenany ny zoma alina nialoha ny hiaingany dia nilaza ity farany fa tsy misy afa-tsy ny fodiany aty an-tanindrazana ho fanatanterahana ny sori-dalana no vahaolana. Nanambara koa ity filoha afrikanina tatsimo ity, raha ny fanazavan’i Marc Ravalomanana fa tsy hamela irery an’i Madagasikara fa hanampy ary tsy hijanona hatreo ihany koa ny fanatanterahana ny sori-dalana. Manoloana ny fanakanana ny zotra SA 8252 an’ny kaompania Airlink dia niantso ny filoha Zuma ireo mpiara-miasa aminy izay niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana. Tamin’izany no nilazan’ny filohan’i Afrika Atsimo fa hanao izay ho afany izy mandritra ny fivorian’ny Firaisambe Afrikanina hatao any Addis Abeba amin’ity herinandro ity, hanerena ny fitondrana eto an-toerana hahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana mody malalaka an-tanindrazana.

Ny filoha Ravalomanana tetsy andaniny dia nanamafy fa “tsy maintsy tonga aty Madagasikara”. “Fahadisoana sy heloka lehibe ny fanapahan-kevi-tsamirery nataon’i Andry Rajoelina manakatona seranam-piaramanidina. Mba olona manan-taranaka kanefa tsy mametraka ny tombontsoa ambonin’ny firenena fa ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza no mibahana. Tsy sahaza ny Malagasy ireny fihetsika mamoafady ireny”, hoy i Marc Ravalomanana. Raha tena manana finiavana dia tsy tokony hatahotra ny demokrasia, hoy ihany izy izay nanamafy fa natoa nanaiky nanao sonia dia tokony hanatanteraka izay nosoniavina. Mahamenatra ny tsy fahamatorana sy ny tsy fahampian’ny fahalalana, izany hoe tombontsoam-pirenena izany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana.

Nohamafisiny ihany koa fa tsy marina ny vaovao naely nilazana fa matahotra ny hosamborina izy. “Efa vonona hiatrika sy hisedra ny zavatra hitranga aho, hoy izy ary tsy matahotra ny hijoro sy hilaza ny marina. Fitsarana tsy marina fa mitongilana, fitsarana tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny lalam-panorenana no misy”. Tetsy andanin’izany dia niantso ny Malagasy rehetra hijoro, tsy hanaiky lembenana hamela izao fitondana tsy manaraka ny zavatra nekeny izao i Marc Ravalomanana. Raha ny fantatra moa dia mbola hanao fanambarana ny Troika sy ny SADC manoloana iny zava-nisy tamin’ny sabotsy iny. Marihina fa 30 latsaka ireo olona niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana, anisan’izany ny mpanolotsain’ny filoha Afrikanina Tatsimo, ny npiara-miasa aminy akiky, iraka iray avy amin’ny antoko ANC ary mpanao gazety vahiny am-polony.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT