Politique

Marc Ravalomanana Tsy iadian-kevitra ny fodiany


  • Talata 24 Jolay 2012

Nisy ny fihaonana fifampitam-baovao sy fanamafisana ny tolona ataon’ny Zanak’i Dada amin’iny faritra Mangoro iny natao tao amin’ny Agence TIKO Moramanga omaly alatsinainy 23 jolay 2012.

 Manana ny fomba fijeriny izy ireo manoloana ny fihaonana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay tanterahina atsy amin’ny nosy Seychelles, ka nilazan’ireto Zanak’i Dada ireto fa tsy iadian-kevitra ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Voasoratra mazava ao anaty sori-dalana rahateo izany, ary efa neken’ny mpanao politika Malagasy ary nosoniavina teo anetrahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mitaky hanatanterahana izany ny Zanak’i Dada Moramanga ireto. Tao anatin’izay telo taona izay rahateo ny filoha Ravalomanana dia naneho finiavana hatrany hamaha ny krizy, hoy izy ireo. Nisy fitrotroana am-bavaka ity fihaonana atao any Seychelles ity, nataon’ny Zanak’i Dada Moramanga ary dia efa manentana ny olona eny amin’ny Kaominina ny hiomana amin’ny fitsenana ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana izy ireo. Nitarika ny fihaonana omaly ity ny filohan’ny DisTIM Moramanga, Rakotomalala François Régis.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT