Naneho ny heviny mikasika ireto fitakiana sy toe-draharaha mafampana sy niteraka adihevitra eto amin’ny firenena ny filoha teo aloha
sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tamin’izany no nanaovany antso hanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary nanamafisany fa tsy izy no hitarika olona hidina an-dalambe. Resadresaka.
Tia Tanindrazana : Ny hevitrao Atoa filoha mikasika ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina ?
Marc Ravalomanana : Ny zava-misy aloha amin’izao fotoana izao dia samy mitaraina daholo ny olon-dreheta amin’ny fanaovana an’ireny fitandrahana harena ankibon’ny tany ireny. Hitanareo tsara ny fanambaran-dry zareo Katolika sy ireo mpitondra fivavahana hafa ireny. Manana Fiangonana isaky ny fokontany sy kaominina izy ireny, mahalala tsara ny fiainan’ny olona andavanandro, koa tokony hojerena aloha ny tontolo iainana sy ny fiantraikany eo amin’ilay firenena vao mandray fanapahan-kevitra.
Monsenera mihitsy, niaraka tamin’ny olom-boafidy no nidina teny Soamahamanina. Misy zavatra tokony hohamarinina mazava tsara izany ao. Ary tsy tokony homena mihitsy ny fanomezan-dalana manao zavatra raha tsy mazava tsara ny ara-tsosialy, ara-kenomika izay vao ny politika fa ny an-dry zalahy ny politika no mandeha aloha.
Tia Tanindrazana : Niteraka fifandroritan-kevitra be ny momba ny fahalalahan’ny asa fanaovanan-gazety eto Madagasikara. Ny hevitrao ?
Marc Ravalomanana : Mankasitraka ny hetsika ataon’ny mpanao gazety aho, ary manohana anareo. Raha tsy misy ny mpanao gazety milaza ny zava-marina sy ny zava-misy, tsy handroso ity firenena ity. Koa miezaha ianareo, mahasahia milaza. Ary, tokony hiray hina tsara ihany koa ianareo fa tsy mora zarazaraina.
Tia Tanindrazana : Inona no fandraisanao ny Fanambaran’ny Panorama, mitaky ny hisian’ny dinika nasionaly ?
Marc Ravalomanana : Ny olona rehetra dia afaka maneho hevitra avokoa. Misy mitaky an’izatsy, misy mijoro amin’itsy, misy mitsangana amin’izaroa. Fa ny ahy dia ny fampiharana ny tany tan-dalàna ihany. Aoka ihany koa mba tena hanaja ny demokrasia ary tokony hanana faharetana ny mpanao politika. Manana faharetana amin’ny fifandimbiasam-pahefana fa tsy maimaika.
Tia Tanindrazana : Hitarika olona hidina an-dalambe ve ny TIM ?
Marc Ravalomanana : Nahoana izy no tarihina ? Tsy hitarika an’izany mihitsy aho fa mahalala ny tokony hataony izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.