Nanamarika ny hetsika nataon’ireo mpitolona mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna tao Antsirabe ny sabotsy 31 desambra 2011 lasa teo ny tafa an-tariby nivantana nifanaovan’ny filoha Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy izay nitondrany firarian-tsoa sy fankaherezana ireo mpitolona noho ny faharetana nandritra izay telo taona izay.
Notsiahivin’ny filoha ireo tranga maro nanamarika ity tolona fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ity ka nilazany fa hatreto dia nahomby ny tolona matoa tsy nisy fankatoavana azon’ireo mpanongam-panjakana. Notsahiviny fa na dia nisy aza ireo TIM namadika niditra tao amin’ny fitondrana tamin’izany dia reraka fotsiny teo ireo milaza ho mpitondra ireo fa tsy maintsy miverina hatrany amin’ny fifampidinihina ihany. Hatreto koa dia tsy nisy zava-bita nisongadina vitan’ireo mpanongam-panjakana ireo, fa vao mainka aza fahoriana lalina no iainan’ny vahoaka maro an’isa amin’izao fotoana vokatry ny fikatonan’ny orinasa teto Madagasikara ka lasa olom-bitsy sy ny vahiny no mahazo tombony amin’izao fotoana.
Nomarihin’ny filoha Ravalomanana fa sahirana ireo mpitondra amin’izao fotoana miady mafy ny hahazoana fankatoavana. Tsy hahazo izany mihitsy anefa izy ireo raha tsy ny tenako Marc Ravalomanana no tonga any Madagasikara, hoy izy. Olona mahay mitantana sy manana fifandraisana iraisam-pirenena sy efa fantatry ny olona tamin’ny asa nataony no hametrahan’ny mpamatsy vola ny fitokisany fa tsy izay milaza ho mahay mitondra rehetra izao.
Nohamafisiny fa tsy afa-miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika satria ny 82%-n’ny famatsiam-bola hampandrosoana an’i Madagasikara dia avy any amin’izy ireo fa ny ankoatra izay dia famahanan-dalitra ny vahoaka fotsiny. Nambaran’ny filoha Ravalomanana ihany koa fa tsy hisy hahasakana ny fodiany rehefa tonga ny fotoana. Na dia nisy aza ny fikasany hody nialoha ny faran’ny taona dia nohamafisiny fa tsy ho ela intsony izany. Tao anatin’ny telo taona aza vitantsika ny niaritra ka mainka fa izao efa hifaranan’ny tolona izao indray. Mila miafy kely, hoy ihany izy. Tsy adinon’ny filoha Ravalomanana moa ny nirary soa ho an’ireo vahoaka Malagasy tamin’izao Asaramanitra izao sy nirary soa ho azy ireo ho an’ny taona vaovao 2012 ity.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.