Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hihemotra mihitsy aho”


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Nanatrika ny Fihaonamben'ny Synodam-paritany Miarinarivo Fahazavana 27, natao tany Anorana Miarinarivo Andriamatoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny omaly alahady 17 septambra.


Fotoana ihany koa nankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-10 taonan’ny fiaraha-miasan'ny prezida synodaly sy ny synodam-paritany. Nisy ihany koa, nandritra io fotoana io,  ny fanentanana natao ny amin'ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran'ny misiona LMS teto Madagasikara .

Mbola tena mafy fototra ny antoko Tiako i Madagasikara any amin’ny Faritra Itasy. Avelao hamadika palitao izay mamadika fa azy ny azy, hoy i Marc Ravalomanana. Aoka hotsaroana anefa fa fady ny mitsipa-doha ny laka-nitana. Raha tsy teo mantsy ireo mpikambana TIM sy ny mpiara-dia azy dia tsy voafidy ho solombavambahoaka io olona namadika palitao ao Itasy io. Fa manoloana ny resa-be etsy sy eroa sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny dia namerina indray i Marc Ravalomanana omaly tolakandro raha nihaona tamin’ny TIM tao Miarinarivo fa tsy hihemotra mihitsy fa handroso hatrany. Tsy matahotra mihitsy i Dada na inona na inona sakana sy don-tandroka ary ramatahora atao aminy. Nampahatsiahiviny fa raha hanarina ny firenena dia tsy maintsy manetry tena sy mivavaka. Tena tsy mendrika ny vahoaka izao fahoriana mianjady aminy izao ka tsy maintsy karohana ny vahaolana ary izaho dia mijoro ho amin’izany. Manahirana ihany ny mahita fa rehefa mahantra sy sahirana ve ny Malagasy dia lasa manaiky ho azy izay ataon’ny olona aminy ? Izaho tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy. Tsy azo ekena ny fanambakana ny Malagasy. Noresahany koa ny fangalarana sy fakana an-keriny tanin’olona etsy sy eroa nalaza tato anatin’ny taona vitsy izao. Mazava ny resaka eto fa tsy hanaiky holembenana amin’ny mety hanilihana azy an-kolaka na mivantana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy manaraka eo i Marc Ravalomanana ary manohana azy mafy ny Tiako i Madagasikara sy ireo mpiara-dia aminy izay efa manaraka fiofanana momba ny politika, ny fitantanana ary ny haitarika.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT