Politique

Marc Ravalomanana Tsy handefasana Emmoreg rehefa eto Antananarivo


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Nandeha tamim-pilaminana ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoaka tany amin’ny toerana nalehany tamin’ity herinandro ity. Nanomboka tany amin’ny lalam-pirenena faha-4 iny teny Mahitsy izany avy eo tany Ankazobe ny alatsinainy teo,

 

 izay nifampiarahabana noho ny taona vaovao tamin’ny mpanohana rehetra. Nitohy tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny sy ny manodidina, ka tany Ambohibary, Ampasamanatongotra, Analavory, Antanetimboahangy, Imerintsiatosika, Mandiavato, Miarinarivo ary Soamahamanina ny tenany niaraka tamin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny Antoko TIM sy mpikatroka maro. Tsy nisy ny sakantsakana sy fandefasana Emmoreg tao anatin’ireo hetsika rehetra teto amin’ny faritanin’Antananarivo ireo. Niova famindra ve ny fitondrana sa efa nisy fifanarahana niaro fifampidinihana tany ho any ? Sa kosa noho ny nandefasan’i Marc Ravalomanana fampahafantarana ny antsojay mahazo azy tany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ? Manohana sy mankahery ary velom-panantenana aminy hatrany ny vahoaka na aiza na aiza alehany. Nandritra ity diany tany amin’ny tapany andrefan’Antananarivo ity ihany koa no nahitany an’i Saholy, tovovavy kely kamboty ray ary sahirana ara-pivelomana ny reniny. Tsy manana fahefana nampidirana an'i Saholy hianatra tamin'ity taona ity ny reniny ka nirenireny teny fotsiny izy. Omaly maraina, nitady hevitra mafy i Saholy niresahana tamin'ny filoha Ravalomanana. Tafahaona ihany ary tsy nihambahamba nilaza ny faniriany mbola hanohy ny fianarany. Nitsiky ny filoha ary nilaza fa hefainy daholo ny saram-pianarany amin’ity taona ity. Tsy niandry ela fa nampanantsoina ny reniny ary tonga dia hamonjy sekoly ny kilasy 7ème i Saholy manomboka anio.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT