Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay”


  • Talata 03 Desambra 2019

Rehefa jerena ny lisitra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny lisitra tonga tamin’ny 27 novambra, dia misy elanelany be.

 

 

 

Maro no nanontany tena satria niova ny laharany. 272, ohatra, ny laharan’ny lehilahy iray tao amin’ny Birao fandatsaham-bato N°2 tetsy Antaninarenina. Dia tsy nokitihina ve izany ity lisi-pifidianana ity ? Ny voalazan’ny lalàna dia ny lisi-pifidianana tamin’ny 15 mey ihany no manan-kery fa ny ankoatr’izay tsy izy. Rehefa nokitihina ny lisitra, dia tsy ara-dalàna iny fifidianana, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Misy miteny ny fomba nanaovana azy mihitsy ny mpikirakira hoe misy olona 3 nesorina dia nampiana olona 8, raha ny tatitra nataony. Sao dia mihevitra anay ho tsy mahalala na inona na inona ary tsy manaraka ny toe-draharaham-pirenena ianareo ? Efa nilaza aho fa tsy hamela irery ny vahoaka malagasy ary tsy hamelantsika raha tsy hitantsika ny marina, hoy izy. Na inona na inona holazainareo amin’ny voka-pifidianana dia hamarino aloha, lazao aloha fa tsy nisy nikitika io lisitra io raha sahy ianareo, hoy ny hafatra niantefa tamin’ny CENI. Nambarany fa efa nilaza tamin’ny Vondrona iraisam-pirenena izy fa tsy mahaleotena io satria tsy ao ilay I (Independent) fa CEN fotsiny. Notsindriany fa tsy teto Antananarivo ihany fa nanerana ny Nosy ny hosoka. Tena hijoro aho ary hijoro hatramin’ny farany. Ampanjakao ny marina ary aza fitapitahina sy verezin-jo ny olona ary hajao ny safidiny. Mahalala tsara ny olona tokony hitondra azy ny vahoaka, ary eto Antananarivo ianareo no hilaza hoe izao ny vokatra eto, ka tena diso be izany. Nihaona tamin’ireo mpikirakira aho, ary nanitrikitrika izy ireo fa nokitihina io, ka dia milaza izahay, fa misy ny Malagasy sahy mijoro sy milaza ny marina fa feno hosoka, tsy lavorary, tsy nandeha tamin’ny fahamarinana iny fifidianana iny, hoy i Marc Ravalomanana niantso ny vahoaka hoe nampieritreritra hoe: hijoro sa mbola hanaiky lembenana ihany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT