Politique

Marc Ravalomanana Tsy avela hanampy ny Malagasy


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Efa hatramin’ny faran’ny volana desambra 2015 no vonona hanodina vokatra ny orinasa Tiko,

 

 raha araka ny tsilian-tsofina re saingy hatreto aloha dia tsy mbola afaka miverina eo amin’ny tsena ity orinasa Malagasy ansian’ny sangany indrindra aty Afrika ity efa hatramin’ny tapaky ny taona ’90 noho ny fifehezany ny fanodinana ny ronono. Ny antony dia satria tsy mbola nomen’ny fitondram-panjakana alalana hiverina hiasa an-kalalahana ny Tiko na dia efa tena maro be aza ny fifampiresahana teo amin’ny mpitantana ny orinasa sy ireo tompon’andraiki-panjakana, eny hatramin’ny filohan’ny repoblika ankehitriny aza. Atoa Marc Ravalomanana anefa dia efa nilaza fa ataovy mazava ny kajy fa vonona ny handoa ny trosanay amin’ny fanjakana izahay, tsy maintsy dinihana tsara koa anefa ny fandrobana nihatra tamin’ny Tiko tamin’ny 2009 ary tokony ho nahazoany fanonerana tahaka ny orinasa Malagasy maro. Resaka ara-teknika ve, resaka ara-barotra ve sa misy ambadika politika no antony hanakanan’ny fanjakana Malagasy ny fisokafan’ny Tiko indray ? Mazava tsara ny resak’i Marc Ravalomanana tamin’ny niverenany an-tanidraznaa indray tamin’ny oktobra 2013 : « ..tonga eto aho hanampy ny Malagasy, hitondra ny anjara birikiko hanarenana ny firenena, efa tena sahirana isika ka tsy afaka miandry 2018 izany vao hihetsika… ». Io fehezanteny farany io ve no nahatonga ny fitondram-panjakana nanao antsojay tamin’i Dada sy ny fianakaviany ary ny orinasany, na dia efa fantatra tsara izao aza fa tsy olona handeha hanongam-panjakana izany mihitsy raha i Marc Ravalomanana ? Izy rahateo, na dia vonona hiasa hanarina ny firenena aza dia tsy mbola nilaza fa ho kandida filoham-pirenena indray. Ary raha ny resaka trosa na hetra tsy voaloa, tsy ny Tiko irery no manana io olana io fa ny ankamaroan’ny orinasa na Malagasy io na vahiny. Mahafantatra tsara izany ny filoha Rajaonarimampianina izay « Expert comptable » efa niara-niasa tamina orinasa maro no sady efa avy minisitry ny vola. Sa ve i Marc Ravalomanana sy ny Tiko mihitsy no sakanana tsy hanampy ny Malagasy sao mahavita be ka handrombaka ny tsenan’ny hafa nanomboka nanjakazaka teto taorian’ny fanongam-panjakana tamin’ny 2009 e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT