Politique

Marc Ravalomanana Tsara toerana amin’ny 2018


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Manomboka mankaleo ny olona ny kabary be sy ny fampanantenana tsy mety tanteraky ny fitondram-panjakana.

 

 Tsy niova kosa ny fitiavan’ny olona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Voaporofo tamin’ny faritra rehetra notsidihany manerana ny nosy fa mbola maro be ny Malagasy manantena azy. Tsy ilay manantena satria resy na sahirana no tiana ambara eto fa tena manantena satria mahafantatra sy resy lahatra fa ny fandaharanasa tahaka ny MAP novolavolain’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany ihany no mahatafavoaka an’i Madagasikara ain’ny fahantrana.

Misongadina sy matanjaka

Tsy vitan’ny kabary io fa asa, ary ny asa dia mila fototra iaingana, io ilay hoe fandaharanasa ary tsy manonofy io fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manantena anao izahay amin’ny 2018, hoy ny antsoantson’ny olona teny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo omaly raha tonga nanatitra fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny tolona tamin’ny 1947 i Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny, izay ben’ny tanànan’Antananarivo. Ny zoma 25 martsa lasa teo moa no nanambara ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 i Marc Ravalomanana. Fanapahan-kevitra efa tena nodinihana lalina, raha araka ny fanadihadiana natao ary efa tena manana fandaharanasa matotra sy tonga dia ahitana famatsiam-bola i Dada. Efa fantapantatra daholo ihany moa ireo mety ho kandida tahaka ny filoha am-perinasa, ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ny PDS Antananarivo Renivohitra teo aloha, ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-pirenena teo aloha… Samy manana ny fahaizany sy ny fahalalany ny tsirairay, saingy mbola manatombo lavitra be i Marc Ravalomanana amin’ny traikefa sy ny fomba fiasa ary ny fifampiraharahana amin’ny mpamatsy vola. Tsy azo odian-tsy hita fa matanjaka Ravalomanana matoa nahavita niverina teto Madagasikara ary miaina milamina tsara sy resahan’ireo masoivoho sy fikambanana iraisam-pirenena rehetra eto amintsika. Izy rahateo efa nilaza fa afaka miresaka amin’ny rehetra vonona hanavotra an’i Madagasikara, ary fantatry ny rehetra izany. Ny fahantrana irery no fahavaloko ary tsy maintsy resentsika miaraka, hoy izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT