Politique

Marc Ravalomanana “Tonga ny fotoana hiverenako”


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

«Tsy maintsy hatao izay hiverenan’ny demokrasia eto amintsika. Tsy mila amnistia aho ary tonga ny fotoana tsy maintsy hiverenako any an-tanindrazana». Ireo raha fintinina ny votoatin’ny lahatenin’i Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ireo mpanara-dia azy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny tenany ny sabotsy 14 aprily teo, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby.

 Anisan’ny antony ahatongavan’ny olona eny amin’ny kianjan’ny Magro isan’andro, hoy izy ny fitakiana hamerenana ny demokraisa eto Madagasikara, ny filaminana ary ny fanjakana tan-dalàna. Tsy maintsy mandalo amina fifidianana malalaka anefa izany, manaja ny zon’ny rehetra ary mahazo ny fankatoavan’izao tontolo izao. Izay rahateo no anisan’ny nanaovana sy nanekena ny sori-dalana. Nambarany ihany koa fa efa saika tafapetraka avokoa ny rafitra rehetra ao anatin’ny tetezamita saingy misy tsy te hahalala izany fanajana ny hafa izany. Ankoatra izay dia mbola namerina ny antso ho amin’ny fampihavanana sy ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra koa ny filoha, ao anatin’izany ny fametrahana ny fitoniana mialoha ny fifidianana.

Noresahany tao ihany koa ny momba ny lalànan’ny famotsoran-keloka izay nambaran’i Marc Ravalomanana fa tsy ilainy satria tsy nanao ratsy teto amin’ny firenena ny tenany ary fitsarana tsy mahefa rahateo no nitsara azy. «Misy diso adiresy mihevitra fa izaho no mila io amnistia io. Tsy mahefa ary lainga ny fitsarana nitsarana ahy. Tsy mila amnistian’olombelona aho», hoy izy nanamafy. Nisongadina ihany koa ny filazan’i Marc Ravalomanana fa dia tonga ny fotoana tsy maintsy hanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana dia ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra, anisany ny tenany. «Tsy misy afaka miala amin’ny fiverenako, ary raha olona matahotra fifidianana sy ny fiverenako any dia olona tsy izy izay», hoy i Marc Ravalomanana.

Nambarany moa fa dia tsy haka ny fananan’ny hafa ny tenany rehefa tafaverina eto saingy miantso kosa ireo naka ny fananan’ny hafa mba hamerina izany. Tsy hitondra soa ny fankahalana ny hafa, hoy ihany izy. Raha tsiahivina dia ny 29 martsa 2012 no nandrenesana an’i Marc Ravalomanana tetsy amin’ny Magro dia iny tamin’ny sabotsy teo iny indray. Marihina fa rehefa miteny izany lehilahy izany etsy an-kianja dia na dia lalitra mandeha aza misy mandre, hoy ny fitenenana. Midika io fa Malagasy maro no liana te handre azy sy ny toromarika omeny, noho izy mbola mamim-bahoaka.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT