Niditra nivantana an-telefaonina tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly alakamisy 4 aprily i Dada.
Tsy mahazatra anareo ny fitafako aminareo andro tsotra tahaka izao, hoy izy, fa tsy naharitra aho satria nanohina ny foko ny fehitsika nasehonareo omaly, nampahery sy nitondra am-bavaka ny fianakavianay ka tsy hay atao ny tsy hisaotra anareo rehetra tsy an-kanavaka miainga amin’ny mpitandrina ka hatramin’ny olon-tsotra nanotrona. Tsy ny hamaron’ny olona no inona, hoy izy, fa ny hafanam-po sy ny fitazonana ny fahamarinana. Ary aza manaiky handairan’ny tsaho, aza matahotra mihitsy hoe tsy hody i Dada fa tsy maintsy mody aho. Miasa tsy mijanona aho aty ny amin’izany ary salama tsara aho na dia aty anilanareo aza i Neny. Ankehitriny, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, dia be ny milaza fa mahavita ka hoe hirotsaka aho hirotsaka. Ny antsika dia mijanona amin’ny hoe raha tsy mody aho dia e e e... tsy hisy izany fifidianana izany. Potika avokoa ny rafitra ka mila paikady sy fahaiza-manao hanarenana an’izany amin’izao fotoana izao. Misy fetrany ny zavatra rehetra ary ny marina tsy mba maty na dia totofana aza. Tsy nanao ratsy tamin’ny taniko aho na tamin’ny vahoaka, tsy ho ela dia ho foana ny fahoriana sy ny olana ara-politika.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.