Mbola tena mamy hoditra amin’ny mponina amin’iny tapany avaratry ny nosy iny Andriamatoa Marc Ravalomanana, raha ny hita tao Antsiranana nandritra ny 4 andro sy ny zava-nitranga.
Anivoravo avaratra, Ambilobe, Ambilobe Sirama no tanàna notsidihany omaly. Tsy nanaiky ny olona fa niantso azy hijanona sy hiresaka amin’izy ireo ka teo no nifampitantara ny fiainana sy ny zava-misy ary ny hetahetan’ireto vahoaka ireto izay mahatadidy tsara an’i Dadavalo ilay nahavita nanamboatra ny arabe tany amin’izy ireo. Faly, tena faly aho mahita anareo, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa tsy miresadresaka fotsiny dia vita fa tsy maintsy karohana ny fomba rehetra hanampiana ny Malagasy, tsy mainsy mahita vahaolana isika ary atomboka avy hatrany izany, hoy izy. Mitovitovy ny olana dia ny resaka tsy fandriampahalemana, fahantrana sy fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro, tsy fisian’ny asa, ny kilonga efa maro no tsy miditra an-tsekoly intsony. Tsy manadino anareo aho ary tsy maintsy mahita vahaolana, hoy i Marc Ravalomanana. Fantatra fa hihazo an’Ambanja indray ity filoham-pirenena teo aloha ity anio talata ary mbola hisy ny faritra hafa hotsidihany aorian’izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.