Vonona hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy ary hifanatrehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha ny nambaran’i Tabera Randriamanantsoa araka ny resaka nifanaovana taminy.
Filazana ny marina rehetra arahana fifamelana tamin’ireo olona mety nanana olana taminy nandritra ny krizy 2002 izy io raha ny fanazavana azo hatrany; izany hoe hisy mihitsy ny fifananterahana eo amin’i Marc Ravalomanana sy ireo olona ambara hoe nanana olana taminy noho ny raharaha 2002. Ny volana martsa ho avy izao no hanatanterahana izany ary raha ny fanadihadiana natao dia efa tafiditra tao anatin’ny lahadinika nifampiresahan’ny CRN (komitin’ny fampihavanam-pirenena) izay natsangan’ny Pr Zafy Albert sy ny CFM (filankevitry ny fampihavanam-pirenena) eo ambany fitarihan’i Maka Alphonse omaly maraina io hetsika fampihavanana mahakasika an’i Marc Ravalomanana io; ka tsy maintsy resahana sy dinihana ny fanonerana ireo rehetra niharam-boina ho an’ny krizy 2002 ary avy eo afaka miampita indray mandinika ny fampihavanana sy fifamelana noho ny krizy 2009. Efa nanambara ny talata lasa teo i Marc Ravalomanana nandritra ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao niarahan’ny antoko politika maro fa vonona ny hiresaka sy hifanatona amin’ny rehetra izy. Mijoro hatrany ho olon’ny fifampiresahana noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny Malagasy mpiray tanindrazana izy. Ankoatr’izay misarika ny sain’ny rehetra ity filoha teo aloha ity fa tena sahirana ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro amina faritra maro manerana ny nosy; tena sariaka ny Malagasy saingy hita soritra eny amin’ny endriny ny fitaintainana ny tsy fahatokisana sy ny tebiteby, hoy i Marc Ravalomanana ka izay no tsy maintsy hikaroham-bahaolana hametrahana fitoniana hahafahana miasa sy mamokatra araka ny tokony ho izy. Tsy eto Antananarivo fa mbola lasa nitsidika ny ilany atsinanan’ny nosy iny, any Ambila lemaitso nanomboka omaly Atoa Marc Ravalomanana ka andrasan’ny maro ny fanampim-panazavana misimisy kokoa avy any aminy amin’ny fotoana maha mety azy momba ilay hetsika fampihavanana goavana ity izay efa nosalorana anarana sahady moa hoe “Vérité et Grand Pardon”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.