Politique

Marc Ravalomanana Tena mbola mamim-bahoaka


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Mbola tena mamim-bahoaka ary manana mpanohana vonona ny hiaraka aminy hatramin'ny farany Atoa Marc Ravalomanana.

 Tsy honohono na resabe ireny nitranga tamin'ny sabotsy 21 janoary ireny, fa zava-nisy marina. Nisy ireo olona, ny alin'ny zoma dia efa tonga teny Ivato niomana amin'ny fitsenana ity filoha teo aloha ity, tao koa ireo avy any amin'ny faritra lavitra, tahaka an'i Toamasina, ohatra, niainga vao maraina nitondra fiara mba hamonjy ilay amin'ny 2ora sy sasany tokony ho nahatongavan'ny fiaramanidina teny Ivato. Feno hipoka ny taksibe zotra D rehetra nampitohy an'i Vassacos tamin'Ivato ny sabotsy na nanararaotra nampiakatra saran-dalana hatramin’ny 2000Ar aza. Maro be koa ireo nahavita nandeha an-tongotra hita nitomandavana teny Ambohimanarina, Andranomena sy ny route digue.

Teny Ivato indray dia an-jatony ireo fiara efa naka toerana, maro be koa ny fianakaviana nifampitaona, na kely na lehibe. Na ireo mpitandro ny filaminana aza dia hita ho sahiran-tsaina ihany nijery ny hamaroan'ny olona satria dia nangorom-potsy tanteraka Ivato Aéroport sy ny manodidina nisy ireo zanak'i Dada. Ireo taksibe mbola niasa teto an-drenivohitra dia samy nilaza fa nangadihady tsy nisy olona Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina io sabotsy io, satria lasa tany Ivato ny ankamaroan'ny olona. Fampisehoan-kery lehibe ireny ary mbola manaporofo ny tsy azo hanilikilihana mora foana an'i Marc Ravalomanana amin'ny raharaha politika eto amin'ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT