Politique

Marc Ravalomanana Tena mbola henjana


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Raha ny sitrapon’i Andry Rajoelina sy ny FAT dia tsy noresahana sy tsy niadiana hevitra intsony izany hoe Marc Ravalomanana izany.

 I Andry Rajoelina aza hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy dia tsy mbola nanonona mihitsy ny anaran’ilay filoha narodany, fa ny fiteniny matetika dia hoe : ny sasany, na ny filoha teo aloha. Raha nisy ny fanamelohan’ny fitsarana an’i Marc Ravalomanana, tamin’ny fividianana fiaramanidina Force One II sy ny raharaha 7 febroary 2009, dia toa fomba hanakanana ny fiverenany eto fotsiny izany, fa tsy tena mbola nikaroka ny fomba hisamborana azy any Afrika Atsimo sy hanagadrana azy eto ny fitondrana tetezamita. Ary raha voasonia aza ny tondrozotra ny 17 septambra 2011 dia mbola nikaroka ny fomba rehetra hahamaivana ny fahefan’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny governemanta sy ny Parlemanta ny ekipan-dRajoelina. Efa mba nandroso hevitra ny amin’ny tokony hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony ihany ny amiraly Ratsiraka saingy, nodian’ny FAT fanina fotsiny.

Efa hita mba nanao dingana amin’ny fampihavanana ihany koa ny praiminisitra Beriziky saingy nidona tamin’ny rindrina, izy indray aza no ambaran’ireo mpomba an-dRajoelina fa sakana amin’ny famahana ny krizy. Nokianina, nosoram-potaka, namoahana izao teny mahery rehetra izao ingahy Ravalomanana, ary tena misy mihitsy no mandany ron-doha amin’izany. Na dia efa tamin’ny 17 martsa 2009 aza, ity filoha teo aloha ity no tsy teo amin’ny fitondrana intsony dia mbola re isan’andro amin’ny filazam-baovao sy ny famakafakan’ny mpanao gazety eto ihany, ny anarany. Nomelohana ihany koa izy fa atidoha manakarama ireo mpanakorontana amin’ny endriny maro eto. Natao ny fomba rehetra hanapotehana azy sy ny fianakaviany, ohatra iray amin’izany ny antsojay mihatra amin’ny orinasa Tiko.

Zanak’omby tsy ampianarin-domano anefa i Marc Ravalomanana, efa manana traikefa matevina amin’ny resaka fitantanana firenena, diplaomasia, ary politika ambony latabatra. Mazava be ny resaka izao fa tsy nipetra-potsiny na niala sasatra tany Afrika Atsimo fotsiny ity filoha teo aloha ity, fa tena niasa mafy, nikaroka ny fomba rehetra hahitana vahaolana amin’ny krizy. Efa nanambara ombieny ombieny izy fa vonona amin’ny fifampiresahana amin’ny rehetra, eny fa na dia amin’ireo nanongana azy sy saika hifofo ny ainy aza. Fantatra fa maro be ny fihaonana nataon’i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy, tamin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ary ireo mpitondra fanjakana maro tany Afrika. Tsy latsak’izany ihany koa ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra tany amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny fikambanana iraisam-pirenena maro. Inoana fa misy ifandraisany amin’izany rehetra izany, ny fanapahan-kevitry ny SADC, nivory tsy ara-potoana tany Luanda (Angola) ny faran’ny herinandro lasa teo, hampihaona an’ity filoha teo aloha ity sy ny filohan’ny tetezamita.

Tao anatin’izany rehetra izany moa dia mba niasa mafy nitety firenena sy kaontinanta ihany koa i Andry Rajoelina sy ny ekipany, saingy tsapa fa tsy nahovoka, satria sady tsy nahavita namerina ny famatsiam-bola, no tsy nahomby ihany koa tamin’ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana. “Hafa ihany i Dada», hoy ny mpitolona etsy amin’ny Magro ary tena voaporofo izany izao. Izany indrindra no tsy mampitombina ny fanilihana azy amin’ny raharaha politika eto Madagasikara, mbola manana ny traikefany sy ny maha izy azy, ingahy Ravalomanana ary mbola henjana raha resaka fifandraisana iraisam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT