Politique

Marc Ravalomanana “Te hody aho ary vonona hiatrika fitsarana raha ilaina”


  • Sabotsy 12 Jolay 2014

Mazava ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana omaly raha nitafa tamin’ny antso an-tariby tamin’ny mpanao gazety teny Bel’Air izy fa tsy mitazona azy any Afrika Atsimo mihitsy ny Fitsarana any an-toerana

. Nangataka porofo tamin’ny Fitsarana Malagasy ny Fitsarana Afrikanina tatsimo, hoy izy hoe : omeo anay ary ny porofo maha voasaringotra an’i Marc Ravalomanana, saingy hatramin’izao dia tsy afaka nanome io porofo io akory ny avy eto Madagasikara. Momba ny resaka pasipaoro indray dia nanamafy ny tokony hanomezan’ny fanjakana Malagasy ny pasipaorony ity filoha teo aloha ity satria tsy mety ho izy ny mipetraka any an-tanin’olona tsy misy pasipaoro izany. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana indray, omaly fa tena te hody ny tenany satria mba efa ampy kosa angamba izay enin-taona nipetrahany tany Afrika izay,” tena te hody aho ary nikaroka sy mbola mikaroka ny fomba rehetra hahatanteraka izany”, hoy izy. Efa nandeha indray mandeha, hoy izy, fa efa teny ambonin’i Morondava dia nasiana niverina aty Afrika Atsimo ny fiaramanidina nitondra ahy. Ny faharoa koa efa tafakatra tao ambony fiaramanidina aho vao navoakan’ny tompon’andraikitry ny Air Link fa tsy afaka hitondra ahy ry zareo noho ny baiko avy aty Madagasikara. “Tena hody aho ary raha ilaina dia vonona hiatrika ny fitsarana eto Madagasikara ny tenako raha ilaina”, hoy hatrany izy.

Ny marina tsy azo afenina ary tsy maintsy hipoitra

Niantso ireo mpitarika ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara mba hahay hiaraka hiasa amin’ny olon-drehetra sy tsy hanidy varavarana ihany koa Ravalomanana satria mbola misy, hoy izy, ireo olona te hiaraka amintsika. Manizingizina izy fa tsy marina ary tsy mitombina ny fiampangana azy momba ny hoe saika hivarotra tany na nanao kolikoly avo lenta  tamin’ny orinasa Daewoo Corporation, ary na ny Fitsarana iraisam-pirenena aza, hoy izy dia efa nanamafy fa tsy mitombina io fiampangana io. “Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko sy tamin’ny vahoaka Malagasy aho fa tahaka ny fanalam-baraka sy fanosoram-potaka no betsaka».  Tsy nitsahatra ny namerimberina tamin’ny mpanao gazety ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana  fa tena te hody marina tokoa izy saingy avy aty amin’ny fitondram-panjakana mihitsy no miainga ny sakana. Farany, tokony ho sarahina ny raharaham-pitsarana sy ny raharaha politika aty Madagasikara, hoy izy, ilaina ny «Vérité et réconciliation» fa ny marina tsy azo hafenina ary tsy maintsy hipoitra ka avoahay aloha io marina io dia miroso ho azy amin’ny fampihavanam-pirenena isika. Tazana teny Bel’air moa tamin’io omaly io ireo mpitarika ny antoko TIM dia Razoarimihaja Solofonantenaina filoha nasionaly, Mamy Rakotoarivelo sekretera jeneraly, teo ihany koa ireo solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT