Politique

Marc Ravalomanana tany Ambatondrazaka “Tsy ho ela dia hilaza ny fotoana hodiako aho”


  • Talata 10 Janoary 2012


 Notanterahana tamin’ny sabotsy 07 janoary 2012 lasa teo ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana any Ambatondrazaka niditra ao anatin’ny rafitra tetezamita sy ireo vahoaka miandrandra ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Misy telo mianadahy izy ireo no tafiditra ao anatin’izao rafitra tetezamita izao. Ny roa mpikambana ao amin’ny Kongresy, dia Andrianandraina Luc Dolet sy Ramalalaharisoa Odette dit Brenda. Andriantompoina Tiana kosa dia mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot. Nandritra io fotoana io no nanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana, raha niditra tamin’ny antso an-tariby, fa tsy maintsy hihaona amin’ny vahoaka Malagasy izy amin’ity taona 2012 ity ary tsy ho ela intsony ny fotoana hanambarany ny ora sy ny andro hahatongavany.

Mino ary matoky aho, hoy izy fa hitsena ahy ianareo. Tohizo, hoy izy, ny fitakiana ny ara-dalàna sy ny rariny ary manana finoana sy faharetana fa homba antsika hatrany Andriamanitra. Tsy adinony ny nisaotra ireo raiamandreny am-panahy izay mitondra am-bavaka hatrany ny fiainam-pirenena izay efa mikorontana izay tsy izy. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’ny antso an-tariby tamin’io fotoana io koa ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo izay nanantitrantitra fa tsy hivadi-belirano fa hitaky hatrany ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana. Niantso koa izy ny tokony hisian’ny firaisankina eo amin’ny samy ankolafy Ravalomanana fa izay misaraka, hoy izy fasika.

Niry A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT