Nanjary resabe tato ho ato ny mikasika ny pasipaoron’ny filoha Marc Ravalomanana, indrindra taorian’ny fielezan’ny feo fa nogiazan’ny fitsarana afrikanina tatsimo (hono) izany.
Ny marina dia an-dalam-panavaozana ankehitriny ny pasipaoron’Atoa Marc Ravalomanana, rehefa lany fetr’andro tamin’ny 2013. Pasipaoro diplaomatika izy ity, ahafahany mivezivezy amin’ireo firenena ivelan’i Madagasikara. Efa eny anivon’ny minisiteran’ny raharam-bahiny Malagasy io pasipaorony lany daty io. Ny mpisolovavany Atoa Brian Currin no nitondra an-tanana azy avy any Afrika Atsimo nankaty Madagasikara, hahazoana ny vaovao solony. Sonian’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy sisa andrasana aminy. Mitarazoka ihany anefa ny fahavitany. Irony pasipaoro biometrika irony moa izao no malaza. Izany hoe raha sambany vao hatao dia tokony ho hita vatana eo ny tompony hakana ny dian-tanany sy ny sariny horaketina anatin’ilay pasipaoro.
Ny lojikan’izay dia mila tonga eto izany i Marc Ravalomanana. Raha tsy izay fa misy fisalasalana ny minisitra hanao sonia fa hoe mila maka ny fankatoavan’ny filohan’ny Repoblika dia lasa resaka politika indray izay, mba tsy hilazana fa NOTAM an-kolaka. Mandra-piandry izay sonia izay anefa dia zavatra roa no miandry an’i Marc Ravalomanana. Voalohany dia toy ny olona tsy manan-taratasy ara-dalàna ahafahany mivezivezy any an-tanin’olona any izy, ka azon’ilay firenena roahina miverina an-tanindrazana ary dia tafaverina ho azy eto Madagasikara. Faharoa, hamarinin’ny any Afrika Atsimo raha manana fahazoan-dalana honina any an-toerana izy na tsia. Raha eny dia vita ho azy, raha tsia dia lalan’ny mody aty Madagasikara izy ary dia tafody mora foana satria tsy ilana pasipaoro ny fidirany eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.